Fanatajahantena

Tsipy kanetibe – «Mada 2023» : hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena

Araka ny fanapahan-kevitra niarahan’ny filohan’ireo ligim-paritra sy ireo mpitantana ny klioba ary ny mpanohana, tinapaka fa hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny kianja Ivato, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe. Misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra manana ny kara-pilalaovana ara-dalàna ary eken’ny Federation sport boule […]

“Fiba World Cup U19”: hihaona amin’i Chine i Madagasikara

10 andro mialohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety “Fiba World Cup U19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona – 2 jolay, hanao fiofanana any Serbia ny Ankoay. Araka izany, misy lalao andrana efatra ataon’ity ekipam-pirenena malagasy ity, ao amin’ny “Centre Vizura sport” Bel­grade. Anisan’izany, ny fifanandrinan’izy ireo […]

Basikety – Alley Hoop 3×3 : raikitra ny fifaninanana ho an’ny U20

Hotanterahina ny alahady 18 jona, eny amin’ny Parking Orange Tour Redland, ny fifaninanana “Alley Hoop 3×3”, taranja basikety, natokana ho an’ny latsaky ny 20 taona. Andiany faharoa amin’ny “Al­ley Hoop”, taona 2023, ity fifaninanana iarahan’ny Oran­ge sy ny RDJ mikarakara ity no sady tafiditra amin’ny faha-20 taonan’ny RDJ ihany koa. […]

Taekwondo : nanambara ny tsy mety ny ligin’Analamanga

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny ligin’ Ana­lamanga, taranja taekwondo, Rakotomanana Franck Tiana, taorian’ny fa­havitan’ny fiadiana ny amboaran’ny masoivohon’i Korea, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsy nitsitsy fitenenana ny tenany namaky ny vay maharary ity haiady ity. Naneho ny fahagagany izy ny amin’ny tsy nampiasana ny “passeport” sy ny […]