Lalao iraisam-pirenena 3 no miandry ny federasiona malagasin’ny judo ato anatin’ny telo volana. Ahitana ny lalaon’ny Nosy sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao eto Madagasikara ary ny “Jeux de la Francophonie”. Ho fanomanana, hiditra amin’ny fampivondronana ny judokas ny FMJ. Hanomboka amin’ny faran’ny herinandro izany. Mandritra izay no […]
Fanatajahantena
Bellingham : mpilalao vaovaon’ny Real Madrid
Nahazo mpilalao baolina kitra manan-talenta vaovao ny ekipan’ny Real Madrid. Notontosaina omaly 14 jona ny fifanarahana eo amin’ilay irakiraka anglisy, Jude Victor William Bellingham sy ity klioba espaniola ity. Araka ny fikarohana natao, efa herinandro lasa izay ny ekipa niavian’i Bellingham, Dortmund no nilaza momba ity vaovao ity ka voamarina […]
Basikety N1B (L) : mandravarava ny Cosfa sy ny ASB
Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fifaninanana nasionaly N1B, sokajy lehilahy, taranja basikety, tontosaina any Morondava. Efa manomboka hita soritra ireo ekipa misongadina tao anatin’izay efatr’andro izay. Ho an’ny omaly, nandravarava tanteraka ny ekipan’ny Cosfa Analamanga, nanoloana ny Blac Atsinanana. Isa mavesatra 82 no ho 29 no nisarahan’ny roa tonta […]
Fifanintsanana «Can 2024»: hivantana amin’ny TVM ny lalaon’ny Barea sy ny Black star
Afaka hanaraka mivantana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana ny vahoaka malagasy. Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena izany. Vaovao tsara ho an’ny mpankafy ny taranja baolina kitra. Hivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana. Lalao hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, […]
Haiady – Self défense : nampiofana ireo tempana mainty i Sicard
Mandalo eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ilay Frantsay, i Olivier Sicard, 6ème Dan Kukkiwon sy 7è Dan Chung do Kawan, amin’ny taekwondo WT. Nanome fiofanana ho an’ireo tempana mainty sy ireo tempana mena hanaovana fanadinana hiakarana grade atsy ho atsy ny tenany, ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny Dojo Sorang […]




