Afaka dimy andro, hifandona amin’ny Black Star Ghana ny Barea de Madagascar. Lalao miverina amin’ny fifanintsanana Can 2023, ny 18 jona ho avy izao. Araka ny vaovao navoakan’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, i Carolus, lohalaharana Barea, no manolo ny toeran’i Njiva. Fanomanana taratasy fifanarahana amin’ilay kliobany vaovao […]
Fanatajahantena
Baolina kitra : vaky ny ady eo amin’ny Uficasm sy ny federasiona (FMF)
Tonga amin’ny tsontsorimamba isarahana, ankehitriny, ny Uficasm sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Vaky noho ny resa-bola ny ady. Tsy takona afenina intsony ny disadisa misy eo amin’ny fikambanana Uficasm, mikarakara ny Barea U23 sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Mifanasa vangy amin’ny tambajotran-tserasera ny roa tonta. Ny […]
Basikety N1B (L) : niady ny fihaonan’ny AS Victoire sy Akbb
Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, any Morondava, ny fifaninanana nasionaly N1B Lehilahy, taranja basikety. Azo lazaina ho mifandanja tsara avokoa ireo ekipa mpifaninana rehetra nandritra izay roa andro izay. Fihaonana tena niady ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery, ny lalao teo amin’ny As Victoire Boeny sy ny AKBB Analamanga, izay nisaraka tamin’ny […]
Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023): naverina ny tae-kwon-do sy ny kick-boxing
Araka ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny gazety Week-end, omaly alahady, tatsy La Réunion, averina ho anisan’ireo taranja hifaninanana ny Tae-kwon-do sy ny kick-boxing. Nisy ny fanerena nataon’ireo firenena mpikambana, ka nahatonga ny komity iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), niverina tamin’ny fanapahan-keviny. Raha tsiahivina, nahena ho 12 ny isan’ireo taranja hiadiana medaly volamena, amin’ity […]
LDC : tompondaka ny Manchester City
Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra, nahazo ny amboaran’ny “Ligue des Champions” (LDC) 2023, voalohany ho azy, ny Manchester City, Anglisy. Lavon’izy ireo, tamin’ ny isa 1 no ho 0, ny ekipa italianina, Inter Milan, nandritra ny lalao famaranana natao tany Istanbul, ny sabotsy 10 jona lasa teo. Niady tanteraka […]




