Fanatajahantena

Rugby – XXL Top 20: hivadika ho Top 12 amin’ny taona 2024

Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana. Mbola misy efatra mihintsana aorian’izay. Taorian’ny fahavitan’ ny fifanintsanana isam-bon­drona, efa fantatra avokoa ireo fileovana 16 tafita amin’ny ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top […]

Judo-« Open Senior de Madrid » : handray anjara Rasoanaivo Laura

Misesisesy ny fifaninanana hatrehan’ny mpikatroka malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, eo amin’ny sehatra Afrikanina sy Eoropeana. Taorian’ny niatrehany ny “Eu­ropean Cup”, tany Pra­gue, hifaninana amin ‘ny “Open Senior de Madrid” indray amin’ny faran’ity herinandro ity. Nambarany fa mba hahafahany mampitombo ny traikefany sy hitsapany ny haavo teknikan’ny mpikatroka Eoropeana ny […]

Kitra -Seychelles : mamiratra i Jean Tigana

Voahosotra ho tompondakan’i Seychelles, tamin’ity taona 2023 ity ny Foresters, ekipa ilalaovan-dRazafima­nindry Jean Tigana, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, omaly, izy no mpilalao mendrika nandritra ity taom-pilalaovana tany an-toerana ity, rehefa nahatafiditra baolina 89 sy tolotra 75. Marihina fa efa nahazo ity amboara ity ny Foresters, ny […]

Bodybuilding – Mada 2023 : niakatra ny lentan’ireo mpifaninana

Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Mining business Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ny Body bulding “Big Mada”. Niakatra ny lenta sy fahaiza-manaon’ireo atleta, araka ny nambaran’ny mpitsara. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny federasiona ma­lagasin’ny fibatana fonjam-by, Randriamanarivo Harine­lina, izay afa-po tamin’ny […]