Fanatajahantena

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) – Handball : hiatrika fampivondronana ny Akio de Madagascar

Hiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ny Akio de Madagascar, sokajy senior, vehivavy. 22 mirahavavy ireo hiatrika izany mandritra ny tapa-bolana, eny Vontovorona. Fivondronan’ny teknisianina no hitarika izany. Taorian’ny fahombiazana azon’ny Akio de Mada­gas­car, sokajy vehivavy cadette sy junior, ka nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny IHF […]

« Ligue des Champions W 2023»: tompondaka ny vehivavy Barcelone

Norombahan’ny Barcelona, Espaniola ny amboara nandritra ny ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des Champions 2023» (LDC), taranja baolina kitra. Lavon’ireto ekipa vehivavy espaniola ireto, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Vfl Wolfsburg Alemana. Izany dia notanterahina tao amin’ ny kianjan’ny Philips Stadium, ny sabotsy 3 jona lasa […]

Karate – “Coupe du Président” : nampiseho ny fahaizany ry Rajaonarison

Tsy misy taona ary tsy misy fetrany ny fanatanjahantena, fa rehefa ao anaty dia ahitana vokatra tsara. Anisan’ny mpikatroka ni­son­gadina sy nampiseho ny fahaizany, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, farany teo, Rajaona­rison Gallie CN 4è Dan (50 taona), 33 taona nanaovana karate tao amin’ny Akka Tsaralalana. Tompondaka sokajy Vétéran […]

Kick-boxing – «Les ceintures des champions»: laharana faharoa i Madagasikara

Tontosa ny sabotsy 3 jona lasa teo, tatsy Maurice, ny fifaninanana “Les ceintures des champions”, taranja kick-boxing. 9 mianadahy no nisolo tena an’i Madaga­sikara izay tsy nampitsanga-menatra raha ny vokatra azo. Laharana faharoa no nisy ny firenena malagasy rehefa nandrombaka medaly volamena 5 tamin’ireo katrok’ady miisa 12. Firenena 4 no […]