Notontosaina teny Tsararano Mahajanga, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fifanintsanana fanatanjahantena mekanika “Circuit Za Go Janga”, andiany faha-13. Tonga tany an-toerana nanotrona ity hetsika ity ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Maro ny lalao nandeha teny an-toerana. Anisan’ny sokajin-dalao tamin’izany ny hazakaza-piarakodia sy ny […]
Fanatajahantena
Rugby Afrika- “Top 8”: Tsy naharesy ny ekipan’i Maroc ny Makis de Madagascar
Tsy tafavoaka tao amin’ny vondrona “B” nisy azy ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiakarana “Top 8” eto Afrika. Lavon’i Maroc, 53 no ho 37, i Madagasikara. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny lalao famaranan’ny sokajy “B”, izay nifanandrinan’ny Makis de Madagascar, sy ny […]
Rugby – «Top 8 Afrique» : hanala vela amin’i Maroc ny Makis de Madagascar
Hifantoka atsy Maroc ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, indrindra fa ny mpiondana baolina lavalava. Hiady ny tapakila hidirana ao anaty «Top 8 Afrique» mantsy ny Makis de Madagascar sy i Maroc, mpampiantrano. Hotontosaina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny fihaonan’ny roa tonta, ho […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina rahampitso 24 novambra, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana «Combat Avenir», taranja kick boxing. Fifaninanana karakarain’ny Lion Force. Efa miditra amin’ny andiany faha-4 ity ady goavana ity, ahitana ny Full Contact, K1 ary ny Low Kick. Efa nanomboka ny 18 novambra teo, hifarana rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco […]
Taranja tolona : tsy misy sokajy Seniors ny fifaninanana nasionaly
Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 7 desambra ho avy izao, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tolona. Raha ny vaovao voaray omaly, tsy misy ny sokajy seniors amin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity, fa ny sokajy zandriny U17 sy U20 ary U23 ihany no hifanintsanana. Raha ny […]