Hotanterahina anio, ny fampivondronana ireo vehivavy mpilalao baolina kitra miisa 37 mirahavavy, hiatrika ny fifantenana ny ho Barea Ladies. Hifandona amin’i Soudan du Sud, ny 6 sy 9 jona ho avy izao, any Soudan, ihany. Marihina fa tsy mbola nampahafantarina ny anaran’ireo mpilalao sy izay ho mpanazatra. Midona amin’i Afrika […]
Fanatajahantena
Fibatana fonjamby-Afrika : Medaly 14 noraofin’ny Malagasy
Niraradraraka ny medaly ho an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, natao tany Egypte. Medaly 14 be izao no azon’ny Malagasy, raha toa ka atleta 6 monja no nisolo tena an’i Madagasikara. Volamena ny 6 tamin’ireo medaly azon’ny Malagasy ireo ka Andriatsitohaina Tojo, teo amin’ny sokajy […]
Baolina kitra – PFL : Hafana ny fihaonan’ny Fosa Juniors sy ny Disciples FC
Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL). Tsontsorimamba isarahana ny an’ireo ekipa 8 manohy ny fifaninanana, amin’ity. Hotanterahina anio sy rahampitso alahady ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny […]
Baolina kitra, vehivavy: Hilalao any Etazonia i Iriko Tsiafoy
Nahazo vehivavy mpilaravinahitra ny kitra malagasy. Araka ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny klioba Disciples FC, nahavita sonia fifanarahana amin’ny klioban’ny Northwest Mississipi Community College – NWCC Rangers atsy Etazonia, i Iriko Tsiafoy, vehivavy malagasy mpilalao baolina kitra. Hifaninana ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Oniversite any Etazonia, “NJCAA Division II […]
SOMBIM-BAOVAO
Hifarana rahampitso ny fe-potoana nomen’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), hahafahan’ireo klioba manao fifamindrana mpilalao eto Madagasikara. Raha tsy misy moa ny fiovana farany, efa nilaza ny akamaroan’ireo ekipa sangany eto an-toerana fa tsy haka mpilalao hanatevina azy izy ireo. Anisan’izany ny Disciples FC, ny Fosa Juniors, ny Elgeco Plus, […]





