Fanatajahantena

Basikety – “Fiba 3×3 Women’s Series” : Nandresy an’i Mongolie ary resin’i Australie ny Ankoay

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Shanghai Chine, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Women’s Series”, taranja basikety, nandraisan’ny An­koay vehivavy anjara. Lalao roa no natrehan’izy 4 mirahavavy, nahitana an’i Samba­trarimiora, i Sydonie, i Saro­bidy ary i Koloina. Raha hiverenana ny vokatra, nahazo fandresena iray sy faharesena iray i Madagasikara. Teo amin’ny […]

PFL – Disciples Fc : Any amin’ny manasa-dalana ny tongotra ilany

Efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny tongotra ilan’ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa  4 no ho 0 ny Fosa Juniors Fc Boeny, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Fihaonana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroson’ny ampahefa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL). Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanindry tanteraka […]

Fonjamby-Ramiaramanana Ricardo : Maniry ny hifaninana amin’ny lalao olympika

Malagasy mpibata fonjamby nitondra avo ny voninahi-pirenena tany Egypte, Rami­aramanana Elariont Ricardo. Maniry ny hifaninana amin’ny lalao olympika izy. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, izay natao tany Egypte, ny faran’ny herinandro teo. Nirarakompana ny medaly azon’ny malagasy, izay mitotaly 14 […]

Randriamanampisoa Alfred : Voafidy ho filoha lefitry ny Cosafa

Nahazo mpitantana malagasy ny Komity Mpanatanteraka an’ny Cosafa. Lany ho filoha lefitry ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’ny afrika, ny mpitantana voalohan’ny federasionina FMF, Randriamanampisoa Alfred. Notontosaina omaly, tany Harare Zimbaboe, ny fivoriambe ara-potoanan’ny fikambanan’ireo federasionina aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, Cosafa. Voafidy ho filoha lefitra ny filohan’ny Federasionina  […]

Iray eny an-kianja  : Maimaimpoana ny an’ireo any amin’ny faritra

Nihaona tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Kianja Barea, omaly, ireo mpikarakara ny hetsika “Iray eny an-kianja”. Lalao ara-panatanjahantena  hifanandrinan’ny haino vaky jery. Namba­ran’ireo tomponandraikitra fa tsy miova ny daty hanatontosana ny fihaonana fa ny sabotsy 6 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Mampiavaka ity andiany ity, natao maimaimpoana […]