Fanatajahantena

Baolina kitra – Barea de Madagascar : nanatevina ny ekipa teknika i Thomas Gornouec

Tonga manampy ny mpanazatra amin’ny fikarakarana ny tanjak’ireo mpilalaon’ny Barea, any Maroc, i Thomas Gornouec. Hiara-miasa amin’ny Me Bebeto izy mandritra ity lalao hifanandrinana amin’ny Scorpions de Gambie ity. Tsy ny mpilalao ihany no nohatevenina amin’ity lalao roa hikatrohana amin’ny Scorpions an’i Gambie ity fa ny ekipa teknika ihany koa. […]

Baolina kitra : nitambatra ny AS Avenir du Sud sy ny AS St Anne

Araka ny vaovao voaray omaly, nitambatra ho iray amin’ity taom-pilalaovana manaraka ity, ny AS Avenir du Sud Anosy, tompondakan’ny diviziona faharoa nasionaly «World Cola Ligue des Champions D2 Nationale» sy ny AS St Anne, solontenan’Analamanga tamin’ny fifanintsanam-pirenena, «D2 Nasionaly» farany teo. Raha ny fanazavana azo, lasa hoe AS Avenir St […]

Faha-25 taonan’ny CSLA : Klioba valo no tonga namaly ny antso

Nankalazaina teny amin’ny Epp Anosivavaka Ambohima­narina, ny sabotsy lasa teo, ny faha-25 taonan’ ny klioba tolona “Club sportif lutte Ambohi­ma­narina (CSLA)”. Ho fanamarihana izany, nisy ny fifanintsanana izay nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpikatroka tolona sokajy zandriny, U13 ary U11, lahy sy vavy. Klioba valo no namaly ny antso tamin’ity hetsika […]

Basikety-N1A: nanao pao-droa ny ekipan’ ny GNBC

Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A 2024, taranja basikety. Nanao pao-droa ny ekipan’ny Zandary, tamin’ity fifaninanana Elites 8 ity. Samy norombahin’ny GNBC avokoa ny fandresena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Raha hiverenana izay vokatra izay, nandresy ny MB2ALL Anala­manga, tamin’ny isa 77 […]