Fanatajahantena

Parkour : Malagasy 5 hanao Mondial

Hatao any Fran­tsa, ny 12 hatramin’ny 17 mey izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Par­kour. Handray anjara faninefany i Madagasikara amin’ity, ka hanana solontena 5 mianadahy (4 lahy sy 1 vavy). Anatin’ ny fanomanana izany tanteraka ireo atleta malagasy amin’izao. Ho fanohanana sy hahafahana ma­nampy ireto solontena malagasy […]

« Penthatlon Moderne » : Mikasa hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena

“Vina ny handeha …!”. Nambaran-dRandriamalala Nathalie, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Penthatlon moderne, fa manana fikasana ny hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro ny federasionina. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fandefasana atleta malagasy dimy, roa vavy sy telo lahy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Hongrie, ny 25- 29 jona ho avy […]

Barean’i Madagasikara: Hanao lalao ara-pirahalahiana roa amin’ny volana jona

Tonga nanatrika ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny zoma teo, ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­ma­nam­pisoa Alfred. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy, nilaza izy fa hiatrika lalao ara-pirahalahiana any ivelany ny Barean’i Madagasikara, ny vo­lana jona ho avy izao. Antony, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly, tany Maurice, ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior” lehilahy. Ny fifaninanana mitifitra “tir de précision” no nanombohana izany. Taorian’izay ny fihodinana voalohany ho an’olon-tokana sy ny olon-droa miaraka. Tsiahivina fa manorana ny andro any an-toerana. Navoakan’ny foiben’ny Fiba Afrika ao […]