Ao anatin’ ny fankalazana ny faha-25 taona nijoroany amin’izao ny Dih’Art Madagascar, toeram-pampianarana mandihy, tarihin-dRandrianarisoa Rijamanitra. Ho fanokafana izany, hisy ny fiarahana voalohany, ny 1 mey izao, ao amin’ny Studio Dih’Art eny Antanimena. Ireo rehetra mpikambana, ray aman-dreny sy izay rehetra efa nandalo tao amin’ny Dih’Art no asaina amin’izany, raha […]
Fanatajahantena
Rugby – Top 12: Hanala vela amin’ny Cosfa ny TFA Anatihazo
Hitohy amin’ny alahady 3 mey ho avy izao ny fiadiana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Top 12». Toy ny mahazatra, hampiantrano izany ny Kianja Makis Andohatapenaka. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Hanala vela amin-dry zareo […]
Tenisy – WTA 125 K : Resin’i Lilli Tagger i Tiantsoa Sarah
Niatrika fifaninanana amin’ ny taranja tenisy indray ilay Malagasy mpilalao tenisy mizaka ny zom-pirenena frantsay, Rakotomanga Tiantsoa Sarah. Omaly, nifaninana tamin’ny WTA 125 K, natao tany ST Malo, ny tovovavy. Resy teo amin’ny dingana ampaha 16-ndalana izy. Lavon’ilay aostralianina, i Lilli Tagger. Niondrika tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 […]
SOMBIM-BAOVAO
Nahatafiditra baolina telo i Fenohasina Gilles, Malagasy mpilalaon’ny AL Merrik. Io baolina tafiditr’i Feno io no nahazoan’ny AL Merrik, ekipa sodaney, fandresena, 3 no ho 0, teo anatrehan’ny Bugesera, nandritra ny fifanintsanana roandey “Rwanda Premier League”. Niampy isa telo indray ny isan’ny Al Merrik ao amin’ity fifanintsanana ity ka mitana […]
MB2ALL-Coach Ndranto: “Fanazarana lalao no himasoana aloha”
Nisy ny fanavaozana teo amin’ny mpilalaon’ny MB2ALL Analamanga, tamin’ny fiatrehana ny N1A natao tany Antsirabe. Mpilalao 3 vaovao no nampiakarina N1A ary mbola latsaky ny 23 taona ny ankamaroan’ireo niatrika izany, ho an’ny MB2ALL. Nambaran’ny Coach Rakotonanahary Ndranto, fa somary mafimafy ny nameno ireo mpilalao 7 tsy teo, saingy tsara […]





