Fiaraha-monina

Minisiteran’ny Mponina: nahazo fanampiana ireo traboina

Nidina ifotony avy hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina, taorian’ny tranga niseho tany Farafangana tamin’ny fahamaizan’ny trano miisa 300 mahery. Tonga nanolotra sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina miisa 1 464 ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo mpiara-miasa aminy. Ahitana  vary fotsy 10 kg miampy ireo […]

Faritra Atsimo Andrefana: olona noana 17 493 hisitraka ny “Toseke Vonje Aigne”

Nosantarina teto amin’ny distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, omaly, ny fizarana ny vola hanampiana ireo olona latsaka lalina anaty fahantrana sy ny mosary vokatry ny haintany aty atsimo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Haratonaina fiahiana mpiara-belona (FSS) fiahiana ara tsosialy vokatry ny loza sy ny tandindondoza 9.487 ireo nisitraka izany eto Ampanihy. […]

Vokatry ny toetry ny andro…: mamely ny gripa, misafidy ny toeram-pitsaboana tsy miankina ny marary

Toetr’andro anisan’ny mahatonga aretina maro izao andro iainantsika izao. Ny sohika, olana ara-pisefoana, fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandra any amin’ny loha, gripa ary eo koa ny Covid-19 izay mbola eny amin’ny toerana rehetra eny. Ny soratr’aretina  gripa no tena mahazo vahana indrindra, raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny hopitaly miankina sy […]

YLTP: nampiseho ny fahaizana mitarika

Nanokatra varavarana ho an’ireo tanora malagasy ny Fondation Friedrich- Ebert- Stiftung  (FES) eto Madagasikara sy ny YLTP (Youth Leadership Training Program). Hetsika natao tetsy amin’ny Cercle des cheminots Soarano, omaly, nanomboka tamin’ny 8 ora sasany maraina hatramin’ny 05 ora hariva.  Nahafahan’ireo tanora marobe nampiseho ny fahaizany mitarika sy nifandray tamin’ireo […]

CUA-orinasa Jocker Marketing: hanavao sy hanangana abribus 50

Notanterahina omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa Jocker Marketing. Mikasika ny fanavaozana sy fananganana Abribus vaovao eto Antananarivo Renivohitra, izay ahitana toerana 50 no fototry ny fifanarahana. 41 amin’izy ireo no hasiana fanavaozana fa ny sivy ambiny kosa hijerena […]