Nanampy ireo ray aman-dreny ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ny tsy maintsy handraisana ny ankizy vonona hianatra nefa tsy manana ny hoenti-manana amin’ny latsakemboky ny Fram takin’ny sekoly. Am-polony isaky ny EPP eto an-dRenivohitra ireo ankizy manaraka fampianarana maimaimpoana any an-dakilasy rehefa nahafantatra ny fepetra vaovao naroson’ny fanjakana. Mazoto […]
Fiaraha-monina
Maro ny olana sedrain’ny fanabeazana : tsy ampy mpampianatra ny sekoly tsy miankina
Roa herinandro taorian’ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, mbola malaina manoratra anarana ny zanany eny amin’ny sekoly tsy miankina ny ray aman-dreny. “Zara raha mahatratra 70% ny tahan’ny fampidirana mpianatra ary misy toeram-pampianarana sasany aza mbola latsak’izany”, hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. […]
INDRAY MIJERY
Nanara-maso sy nanombana ireo zava-bitan’ ny BNGRC amin’ilay tetikasa Mionjo any Anosy sy Androy ny Banky iraisam-pirenena, ny herinandro lasa teo. Delegasiona, ahitana manampahaizana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, solotenan’ny minisiteran’ ny Atitany sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ekipan’ny BNGRC…no nitsidika kaominina maro tany amin’ireo distrika iasana: kaominina Ambonaivo, […]
Distrikan’Antanimora Atsimo : nitondrana fanampiana ny traboina
Olona an-jatony, anaty fianakaviana maro, no traboina vokatry ny haintrano tao amin’ ny kaominina Imanombo, distrikan’Antanimora Atsimo, faritra Androy, ny herinandro teo. Namangy ireo traboina ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny faran’ ny herinandro ary nanao ny voinkava-mahatratra, nitondra fanampiana, hanarenana ny fahavoazana vonjimaika. Tsiahivina fa vokatry ny disadisa […]
USAID-Fampianarana teknika : hampiakarina ny lentan’ny fiofanana
Hanao fivoriana miaraka tsy ho ela ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny USAID hamaritana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Io no tapaka nandritra ny fitsidihana nataon’izy ireo, notarihin’ny tale jeneraliny, Michelle Russell, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisitera Ampefiloha, omaly. Nandray azy ny minisitry ny Fampianarana […]