Naneho fahavononana amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny OIT, taorian’ny fihaonana teny Ampefiloha, omaly. Hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa miaraka amin’ny mpitarika vaovao ny minisitera, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny Organisation intertnationale du travail (OIT), […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nihaona tany Taolagnaro, ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam). Nanao ny tombana ny asa vita ho an’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izy ireo. Fotoana ihany koa nitsidihina ny toerana fitahirizana tsakafo any an-toerana. Nandritra ny fitsidihan’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany Tsihombe- Androy, […]
EPP Ambohimahitsy : nohavaozina ny fotodrafitrasa
Notokanana ny sabotsy teo ny fanavaozana ny EPP Ambohimahitsy, anatin’ny kaominina Ampitatafika. Nandray an-tanana ny asa ny Lions club Antananarivo Iarivo. “Efa simba sy potika vokatry ny natiora sy ny fahelan’ny taona ny sekoly ka hitondra vokatsoa ny fanavaozana azy”, hoy ny talen-tsekoly, nandritra ny lahateniny. Nasiam-panavaozana ny dalazy sy […]
Akany Arivonimamo : nampian’ny Amerikanina ireo zanaka zandary
Nahatsiaro manokana ireo ankizy beazina ao amin’ny Akanin’ny zandarimariam-pirenena ao Arivonimamo ny masoivoho amerikanina, amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao. Niaraka tamin’ny ekipany, ny masoivoho i Pierangelo Claire, nanatitra fitaovam-pianarana sy sakafo ho an’izy 84 mianadahy zanak’ireo zandary lavo am-perinasa tezaina ao amin’ny akany. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny akany no natao ary […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra : olona 3 000 nangataka fanazavana momba ny fandoavan-ketra
Manao fanamorana ny fandoavana hetran-trano ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny taona 2021-2022. Mamaly ny fanazavana momba izany ihany koa ny vaomiera manokana natsangana. Nisy ny atrikasa fandresen-dahatra sy fanazavana momba ny hetran-trano 2023 (Ifpb), ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny herinandro teo. Tapaka tamin’izany fa hivoaka manomboka ny volana oktobra […]