Nanome fanampiana mitentina 450 000 dolara ny governemanta amerikanina entina hanohanana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina Mpox. Efa nanomboka tamin’ny volana desambra 2025 ny asa mifandraika amin’izany. Maro ny asa ampiasana ity fanampiana ity. Anisan’izany ny fanamafisana ny fanadihadiana ifotony, ny fiatrehana ny valanaretina any amin’ny faritra Boeny […]
Fiaraha-monina
Randrianasolo Rivoarison, filohan’ny oniversite : “Hatao vaindohan-draharaha ny fametrahana ny fitoniana”
Napetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison, sy ireo tomponandraikitra ambony eny Ankatso. Nisy koa ny fandraisana ny fotodrafitrasa nohavaozina, toy ny Amphi ao amin’ny sampam-piofanana momba ny Siansa. Nambarany amin’ny ankapobeny ny lalantsaina hanatanterahana ny asa, araka ny andraikitra tandrify ny tsirairay, mifototra amin’ny fanatsarana ny […]
INDRAY MIJERY
Ewetse no anaran’ilay rivodoza niditra ao Itampolo, Ampanihy, omaly tolakandro. Nihena ny heriny ka vinavinaina ho levona an-tanety. Mitondra rotsakorana mitohy amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny rahona miaraka aminy. Iangaviana ny mponina voakasika mba ho mailo satria mety hiteraka ranotrambo sy/na fiakaran’ny renirano izany. Ho fanamafisana ny ady amin’ny […]
Voka-pikarohana: Hapetraka ny ivontoerana hamatsy vola
Notanterahina teny amin’ ny primatiora, Lapan’i Mahazoarivo, omaly, ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera dimy momba ny lohahevitra avy amin’ny fikarohana mankany amin’ny fiantraikany. Fiaraha-miasa stratejika ho an’ny fanavaozana sy fahaleovantena ara-toekarena ho an’i Madagasikara. “Tanjona ny hamadika ny voka-pikarohana ho fitaovana mivantana amin’ny famoronana asa. Haivao hitondra […]
Fampianarana: Nivoaka ny tetiandrom-panadinana vaovao
Nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny talata lasa teo, no nampitana ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana nasiam-panovana. Hotanterahina ny talata 16 jona 2026 ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy. Ny 6 jolay hatramin’ny 9 jolay kosa ny BEPC. Hotanterahina ny 20 jolay hatramin’ny 24 jolay ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Mifanindran-dalana amin’izay ny […]




