« Nanambara ny fahavononana amin’ny ezaka hampitombo ny loharanom-bola hahatsara ny fahasalaman’ny mponina, indrindra ny fanaovam-baksiny, ny fikambanan’ny vehivavy ben’ny Tanàna », hoy ny filohan’ny fikambanana, Andriambololona Laurence. Niakatra 28,6% mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ny tetibolan’ny fahasalamana ary nitombo koa ny vola ho an’ny fandraisana an-tanana vaksiny eto amintsika, araka ny voasoratra […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Taorian’ny fitsidihan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny sekoly ambony Politeknika Antananarivo (Espa) ao Vontovorona, miroso avy hatrany ny asa fanamboarana ireo trano fidiovana ao amin’ireo trano fonenan’ny mpianatra sy ny trano vaovao R+1. Nitsidika ny fizotran’ ny asa, teny an-toerana, ny talen’ny Crou-A, Mamisoa Aina. Tafiditra […]
Tsenabe Fivoarana, andiany faharoa: Hampanakaiky ny tantsaha sy ny mpanjifa
Hotanterahina ao Miakadaza Imerintsiatosika, ny 26 hatramin’ny 29 mey ho avy izao, ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fivoarana. « Manodidina ny 5000 isan’andro fara fahakeliny ny olona andrasana hitsidika mandritra ny hetsika, ary irariana mba ho tonga 1 hetsy mahery izany», hoy Rajerison Antoine, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny […]
« Université d’été » : Haharitra hadimiana ny ao Fianarantsoa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Amphithéâtre EMIT, ny « université d’été » andiany faharoa, izay haharitra dimy andro ho an’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Hisy ny atrikasa fanadihadiana ny fampiasana sarin-tany mandritra io fotoana io, mivoy ny lohahevitra : « L’intelligence artificielle au cœur de l’analyse géospatiale […]
Tetikasa “Inser jeune” : Hampidirana ny tanora amin’ny sehatry ny asa
Firenena 16 aty Afrika no efa nampiharana ny “Inser jeune”, ankehitriny. Vita ny famolavolana izany ho an’i Madagasikara. Hihodina izany manomboka izao. Efa vita ny andrana tao anatin’ny taona maromaro. Telo taona no namolavolana ny rindrambaiko niomerika “Inser jeune” niarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Organisation […]