Fiaraha-monina

Vaksiny miaro amin’ny poliomelita: 104,1% ny tahan’ny fandrakofana nandritra ny fihodinana voalohany

82% ny tahan’ny zaza nahazo ny VP1 (vaksiny miaro amin’ny polimelita), araka ny antontanisa ny volana jona lasa teo, raha 90% ny tanjona napetraka. Ilaina ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny mahazatra, indrindra ny fitadiavana ireo zaza mbola tsy nahazo vaksiny sy ireo tsy nahafeno ny fatra tokony ho azony. Tamin’ity taona […]

Tanora afaka bakalorea: betsaka ireo te hianatra any ivelany

Maro ny hetsika fampahafantarana ireo karazana oniver­site hahafahana manohy fianarana ho an’ireo tanora vao afa-panadinana bakalorea farany teo. Nisy tetsy Mahamasina, Ankorondrano, Ankatso… Marolafy ny karazana tolotra amin’ireo lalam-piofanana isan-karazany. Mihodinkodina eo amin’ny fitantanana sy ny varotra, ny informatika, lalàna sy ny tontolon’ny fizahantany anefa ny fampianarana amin’ireo oniversite an-jatony. […]

Fondation Axian: ankizy sahirana 400 nizarana kits scolaire

Nahatsiaro ireo ankizy zanaky ny fianakaviana sahirana mianatra sy beazina etsy amin’ny Fifanampiana Centre Ra­ssoul Akram (FCRA) Ankazo­manga ny Fondation Axian, omaly. Ankizy 400 ao an-toerana sy any Manakara no hisitraka kojakojam-pianarana amin’izao ankatoky ny fidiran’ ny mpianatra izao. « Hanamaivanana ny fa­hasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao ny tohana », […]

Indray mijery

 Anisan’ny faritra nahavita ny dinika momba ny asa tamin’ny volana aogositra lasa teo ny tao Fitovinany. Samy nandray anjara tamin’ny famantarana ny olana, ny filàna, ny fahafahana ary ny vahaolana mifandraika amin’ny fampananana asa ao amin’ny faritra ireo mpisehatra. Nifantoka tamin’ny zava-misy sy ny antontanisa momba ny asa, ny fandrindrana […]