Fiaraha-monina

Hetsika ara-pahasalamana – IMM: Ankizy 25 hatao échographie maimaimpoana

“Alahady ho an’ny Fiaina­na, fahasalaman ho an’ny fiarahamonina 100%”. Io no tarigetran’ny hetsika ara-pahasalamana tanterahin’ny Institut médical de Madagascar (IMM), ny alahady izao. Ankizy tsy salama, vao teraka hatramin’ny 12 taona, miisa 25, mila fitarafana maika ho fanaraha-maso ny fahasalamany na ho vonjy aina ho azy ireo no hatao échographies […]

INDRAY MIJERY

Nahatratra 5 355 ny trangana Mpox niseho, 2 598 ireo sitrana ary 23 namoy ny ainy, nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny 25 aogositra lasa teo. Enina ny tranga voamarina ny 25 aogositra, 74 ny distrika voakasika. Nahatratra 241 ny tranga voamarina tao anatin’ny efatra herinandro farany, araka ny voalazan’ny […]

Fanatsarana ny fiomanana: Nohamarinina ny fiveloman’ny tokantrano

Notanterahina tao anatin’ny roa andro ny atrikasa fanamarinana ireo mombamomba ny toe-karena sy ny fiveloman’ny tokantrano eto Madagasikara, tao anatin’ny tetikasa “Fews Net 8 Base de connaissances”, miaraka amin’ny fa­matsiam-bolan’ny Chemonics. Niara-niasa tamin’ny BNGRC ho fanatanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka. Ani­san’izany ny Adventist Development and Relief Agency Adra sy ny Welthungerhilfe, […]

MESUPRES : Hampakatra ny laharan’ny oniversite sy ny voka-pikarohana malagasy

Efa miroso amin’ny fanatsarana ny voka-pikarohana sy ny laharan’ny oniversite eto Madagasikara ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Atao amin’ny alalan’ny fampidirana sy fampiasana ny Vovonana iarahan’izy ireo miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny CIDST izany. “Mamokatra voka-pikarohana maro isika eto Madagasi­kara nefa tsy fantatry […]

INDRAY MIJERY

Nihena 2,24% ny taham-pahafahana nasionaly tamin’ ny fanadinana bakalorea, izay 48,49% raha ampitahaina tamin’ny voka-panadinana tamin’ny taona 2025 izay naha­tratra 50,73 %. Anisan’ny anton’izany fidinana izany ny fanaraha-maso hentitra hampiakarana ny kalitao sy ny lanjan’ny diplaoma mivoaka, raha ny fanazavana. Manoloana ny fihanaky ny aretina Ebola any amin’ ny firenena […]