Fiaraha-monina

Fitsaboana nentim-paharazana : Ampiasain’ny ankamaroan’ ny Malagasy

Nomarihina omaly, tetsy amin’ny Plan Anosy, ny Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana. Hetsika iray natao hampiroboroboana ity fitsaboana iray ity. Tsy lefy laza ny fampiasana azy, raha eto Madagasikara. Mampihatra izany amin’ny andavanandro ny 80% ny Malagasy, ankehitriny. Azo lazaina ho fitsaboana manakaiky ny mpiara-belona izy io ka antony […]

Mouvement pour la Différence (M4D) : Manentana ny mpiray ombon’antoka hanohana

Hitodika kokoa amin’ny fanomezan-danja ny fahasamihafana sy ny fanajana ny zo fototra ny paikadin’ny Mouvement pour la différence (M4D) ho an’ny efatra taona manaraka. Araka ny andininy voalohany (1) ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, manamafy ny fitoviana sy ny zo ho an’ny rehetra ny M4D. Miady izy ireo […]

Mpianatra nivoaka ny ENS : Efa mikirakira fifana­ra­hana arakasa ny Men

Nizara vaovao ny tale misahana ny maha olona eo anivon’­ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rakoton­drina Volafelana Marinah. Nambarany ny momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra nivoaka teny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) andiany faharoa. Misy olona mahatratra 211 voakasika ka eo am-pikirakirana ny fifanarahana arakasa ny DRH ao amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena […]

Foaraben’ny fahasalamana iraisam-pirenena : Manome tolotra fitsaboana maimaimpoana

Hifarana anio, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny foaraben’ny fahasalamana iraisam-pirenena izay hetsika niatomboka ny talata lasa teo, nokarakarain’ny Adventist Wo­rld Radio (AWR), notarihin’ ny filohany, Jim Howard, mpanao asa fanompoana maneran-tany. Mifototra amin’ny fanakaikezana sy ny fanamorana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka ny tanjona. Mandritra izany, misy ny […]

Fitantanana ny tontolo iainana: Omena sehatra ireo tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina

Haharitra roa andro ny fivoriana andiany faharoa, eto Antananarivo, izay fihaonamben’ny mpikaroka sy tanora mpikaroka eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Hahafahany mifanakalo traikefa amin’ny olana sy ny vahaolana iombonana ny hetsika. Ny Fondation de l’innovation pour la démocratie, amin’ny alalan’ny laboratoire Océan indien no mpikarakara ny hetsika. Mampi­songadina ny traikefa ana­nan’ny […]