Fiaraha-monina

Minisiteran’ny Mponina : nomena fanampiana ireo mpiasa

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nisitraka tolotra fanampiana, araka izany, ireo mpiasam-panjakana misehatra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly. Nahitana fitaovam-pianarana kahie 200 sy 100 pejy ho an’ny zanaky ny mpiasa ny tolotra. Ao koa ireo kojakoja madinika ilaina amin’ny fianana […]

Mitohy ny fitsirihana: mila fantarina ny fanafody hositrahina maimaimpoana

Zava-dehibe ny fahafantaran’ny rehetra ireo karazam-panafody maimaimpoana eny amin’ny CSB. Ialana amin’ny fanambakana sy fanararaotana ny mangarahahara momba izany. Manohy ny fitsirihana atao amin’ireo fivarotam-panafody ny minisiteran’ny fahasalamam-ba­hoaka. Nampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny fivarotana ireo fanafody maimaimpoana amin’ny fandaharanasan’ny fahasalamana laharam-pahamehana. Nitanisa ny lisitr’ireo karazam-panafody tsy azo amidy fa tokony […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny delegasiona avy amin’ny Centre national emploi et formation aux métiers du Bâtiment et Travaux Publics (BTP). Nampahafantarana ireo tetikasa izay hiarahan’ny roa tonta ny fihaonana. Mikendry ny fanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny dinika. Mampahafantatra ny […]

Fefilohan’i Sisaony sy Ikopa : mponin’Antananarivo miisa 735 000 ho voaaro

Manohy ny asa fanarenana ny fefilohan’i Sisaony sy Ikopa ny tetikasa Produir izay tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Miaro ny tanànan’Anta­nana­rivo amin’ny tondradrano ny fefiloha ka tena saro-pady. Mahatratra 735 000 ireo mponin’Antananarivo sy ny manodidina ho voaaro amin’ny tondradrano noho ny fanamafisana ireo fefiloha ireo. Efa […]

Fanamboarana ny Lake Iarivo: minisitera dimy hiara-hifarimbona

Mitarika ny famolavolana ny tetikasa “Lake Iarivo” ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Nidina ifotony nanomboka teo amin’ny lalan’i Tsarasaotra hatrany Ivato ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisitera 5 hiara- hifarimbona amin’ny fanatsarana ny “rocade Iarivo” ho maoderina. Ho fanomanana sahady ny fotodrafitrasa handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc […]