Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny taom-pianarana vaovao ho an’ny lalam-piofanana fitantanana sy fanodinana ny rano (Master), sy ny lalam-piofanana rano sy angovo (Licence). Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Defi eau, vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola ny tetikasa, miaraka amin’ny Erasmus. Toeram-piofanana ambony sy Oniversite miisa 5 no handray ireo […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana: Tsy fahavetavetana ny fanaovana PF
Misy amin’ny vehivavy no menatra raha fantatry ny olona fa mampiasa fomba fandrindrana fiainam-pianakaviana (PF) izy. Mafy ny fanenjehana sy fitsaratsaran’ny fiarahamonina noho ny tsy fahafantarana ny maha zava-dehibe ny fampiasana azy ireny. “Tsy midika ho favetavetana na fijangajangana na hamaolana velively ny fanaovana fanabeazana aizana fa tena fandraisana an-tanana […]
Herisetra ara-pananahana: Lesoka ny fomba amam-panao sy ny tsy fahafantarana ny zo
Mbola maro ireo tsy mahafantatra ny zo ara-pananahana ka lasa mivadika herisetra izany na eo amin’ny samy mpivady aza. Mbola sakana be koa ny karazana fomba… Nandray anjara tamin’ny dinidinika teny Ivandry mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana ny controleur Général de Police, avy ao amin’ny Brigade féminine de proximité (BFP), Randriambelo […]
INDRAY MIJERY
Notanterahina tamin’ny boriborintany eto Antananarivo ny fizarana fanampiana sakafo ho an’ireo fianakaviana marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy. Nisy ny fiakaran’ny rano tany amin’ireo toerana sasany eto an-drenivohitra, ny herinandro teo. Vary sy biscuit fortifiant no nozaraina tamin’ireo traboina, hanamaivanana ny fahasahiranana atrehiny. Tokatrano miisa 421 ao anatin’ny distrika Tana […]
Andron’ny vehivavy : Hanetriketrika ny hetsika eto Antananarivo
Hotanterahina eto Antananarivo ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. « Ny vehivavy, hery iray ho an’ny fanavaozana ny firenena » no lohahevitra voizina mandritra ny fankalazana izay mifanaraka amin’ny lohahevitra iraisam-pirenena napetraky ny ONU : Zo rariny, fandraisana andraikitry ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra. Maro an’isa ny vehivavy […]




