Fiaraha-monina

Fanadihadiana an-tokantrano-MICS 7 : Mampanahy ny fanabeazana, faha­sa­lamana ary ny fanjarian-tsakafo

Natolotra omaly, teny Alarobia, ny valin’ny fanadihadiana notontosaina teny anivon’ny tokantrano mahakasika ny zo sy ny filana fototra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy (MICS fahafito). Ahafantarana ny zava-misy amin’ny lafiny sosialy, indrindra ny ankizy sy ny vehivavy, ny fanadihadiana. Ahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mametraka paikady entina manatsara ny fiainan’ny […]

Famelomana aina-CHU JRA : Olona 2 000 isan-taona karakaraina ao

Nitondra fanazavana mo­mba ny sampandraharaha famelomana aina, ao amin’ny rihana voalohany, ao amin’ny CHU JRA, ny profesora Rajaonera Andriambelo Tovo­hery, lehiben’ity sampandraharaha ity. Isan-taona, manodidina ny 2 000 ireo olona avy nodidiana sahanin’ny sampandraharaha. Manodidina ny 2 500 kosa ireo olona atao fizahana mialoha ny handidina azy. Mandray ireo olona […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny CTI (Centre de traitement et d’isolement) etsy Andohatapenaka, niaraka tamin’ireo teknisianina ao amin’ny Cousp (Centre des opérations d’urgence de santé publique), ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra vahaolana haingana hahatomombana ny fandraisana ireo marary ny tenany. 12 ireo marary voamarina ary 4 ahina tsaboina eny […]

Mesupres : Laharam-pahamehana ny digitalisation

Nifantoka tamin’ny fomba hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny asa atolotra ireo rehetra manan-draharaha ao anivon’ny minisitera ny fihaonan’ireo tomponandraikitra ny faran’ny herinandro teo. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny minisitera ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa izany. Laharam-pahamehana napetraka ny firosoana amin’ny «digitalisation». Kendrena ny […]

Fondation Mohammed VI: Nanampy ny mpianatra Ankatso sy ny mponin’Antsirabe

Toy ny fanaon’ny Fondation Mohammed VI isan-taona, eto Madagasikara, misy ny hetsika Firaisankina, mandritra ny volana Ramadany. Nisy ny fanomezana sy fanampiana ny mponina tao Antsirabe, afakomaly, sy ny mpianatra Ankatso, omaly. Notanterahina omaly, teny Ankatso, ny hetsika fanampiana ny mpi­anatra, niarahana tamin’ny Fondation Mohammed VI, sampana Madagasikara. Nisi­traka izany […]