Fiaraha-monina

Fiatrehana loza sy tandindon-doza: Mahazaka 1 000t ny fanatobiana entana ao Manakara

Tao anatin’ny dimy taona, nanokana vola 29,4 tapitrisa euros ny Vondrona eoropeanina hanohanana ny Pam sy ny fanjakana malagasy ho fiahiana ny maha olona. Anisan’izany ny fametrahana ivontoerana lehibe vaovao fitehiri­zana entana ao Manakara, hanamorana ny fiomanana mialoha manoloana ny loza sy ny tandindon-doza. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny […]

OniveRsiten’Antananarivo : Nohavaozina ny laboratoara fianarana teny japoney

Vita ny fanavaozana ny laboratoara ho an’ny fianarana teny japoney eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ary notokanana tamin’ity herinandro ity, teny Ankatso. Tafiditra amin’ny fanohanana tetikasa madinika vita sonia ny taona 2025 ny asa fanavaozana, mitentina 331 tapitrisa Ar. Zava-dehibe ho an’ny fianarana teny japoney ny fisian’ny laboratoara nanomboka ny taona […]

Andro ratsy : Tombanana hiditra an-tanety anio maraina

“Omaly tolakandro, tany amin’ny 495 km andrefan’ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Dépression tropicale hatrany ny sokajy misy azy. 55 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 75 km isan’ora. Mikisaka miatsinanana izy ka […]

Fampianarana ambony: Maro ireo sekoly doktoraly tsy manaraka fenitra akademika

Tsy ankitsitsy ny eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Handraisana fepetra ary miafara amin’ny fanakatonana ny tsy fanarahan-dalàna ho an’ireo sekoly doktoraly… Hentitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa namoaka ny naoty fampahatsiahivana ho an’ireo filohan’ny oniversite sy talen’ny sekoly doktoraly rehetra. Mampitandrina ny minisitera amin’ireo didy aman-dalàna mahakasika […]

INDRAY MIJERY

Nampitandrina ny amin’ny mety ho fiakaran’ ny rano amin’ny lemak’Antananarivo, lalovan’ny reniranon’i Sisaony, ny avy amin’ny Apipa. Voakasik’izany ny kaominina 17 ahitana an’i Tsiafahy, Androhibe, Antsa­hadinta, Bongatsara, Atanetikely Ambohijoky, Alatsi­nainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy. Miampy an’Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampita­tafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohi­tri­manjaka, Fiadanana ary Ampangabe. Manoloana ny disadisa miseho […]