Tonga tao amin’ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana (Cenhosoa) ny fikambanana Soleil Marmailles notarihin’ny dokotera Razafintsalama Sylvie avy ao amin’ny Nosy La Réunion, afakomaly tolakandro. Nitondra anjara biriky amin’ny fanohanana ny ezaka fitsaboana ataon’ny Cenhosoa izy ireo ka nanolotra fitaovana maro ampiasaina eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny famelonan’aina sy ny ” […]
Fiaraha-monina
Antandrevaka ataon’ny mpiasan’ny kaominina: Ampangain’ny ben’ny Tanàna ho fanimbana azy
«Tsy nanome baiko hanao fihetsika sahy hitondra polisy kaominaly nandroaka sy nangorona ny eloben’ireo mpivarotra trondro, izay napetraka vonjimaika eny amoron-dranomasina ireo aho », hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina Herilala, raha nantsoina an-telefaonina. Nanaovana fanamarinam-baovao momba ny fihetsika nataon’ny polisy kaominaly sasantsasany eto Toamasina tamin’ireo mpivarotra trondro ny mpanao gazety […]
Tetikasa « Sorebe »: nampitaovana ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina
Ho famaranana ny tetikasa “Sorebe” niarahana amin’ ny OIM sy ny BNGRC, nanolotra ordinatera sy kojakoja momba ny fikirakirana ny teknolojia vaovao ny OIM, teny Andrainarivo, tamin’ity herinandro ity. Tetikasa novatsian’ny fanjakana japoney vola, tao anatin’ny roa taona, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ho an’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ampiasaina […]
Oniversiten’Antananarivo : manome fahalalana mahakasika ny fakiolte EGS
Manatanteraka varavarana misokatra ny fakiolte Economie Gestion ary Sociologie (EGS) eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso, anio sy omaly. Hetsika natokana ho an’ny mpianatra sy ny ankizy liana amin’ireo lalam-piofanana voalaza ireo. «Natao hanomezana ny tsara ho fantatra sy fahalalana ilain’ny ankizy mahakasika ireo lalam-piofanana ireo sy ny asa miandry aorian’ny fianarana […]
MJS-PNUD: Hanohana tetikasa ho an’ny tanora
Nitovy ny fomba fijery eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny Pnud, nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, omaly, teny Ambohijatovo, dia ny fanomezana sehatra ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tetikasa roa samy mifantoka amin’izany ny « Youth Connect sy ny Youth Corner », izay nambaran’ny eo anivon’ny Pnud […]