Tonga mivantana, nitondra fanampiana, tamin’ny filohan’ny mpanao gazety ao Toamasina, i Sabotsy Aimé José (Sajo), ny sampana misahana ny asa sosialin’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Gen XYZ, rantsana Toamasina, tarihin-dRajaonary Sylvestre (Coco velogna). Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, kosa no nanolotra izany […]
Fiaraha-monina
Toamasina : Manampy hamerenana ny herinaratra ny Filatex Energy
Laharam-pahamehana ny famerenana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina. Antoky ny fampihodinana ny sosialim-bahoaka sy ny fiharian’ny mponina tsirairay izany. Avokavoky ny toekaren’i Madagasikara ny ao Toamasina. Manohy amin’ny fanarenana ny famatsiana herinaratra ao an-toerana ny orinasa Filatex Energy, taorian’ny fahasimban’ny toby famokarana mandeha amin’ny solika sy ny fikorontanan’ny tambajotra. Mitohy […]
INDRAY MIJERY
Misy toerana mirefy 2 ha ametrahana panneaux solaires, manome 1,5 Megawatts, eny amin’ny ESPA Vontovorona. Ny Jirama no misahana ny asa rehetra. « Panneaux 800 amin’ny 2 000W no efa voapetraka amin’izao fotoana izao », hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. Ho an’ny rano indray, efa misy lavadrano telo ao. Eo […]
Soavinandriana sy Itasy : Nahazo fitaovam-pandrefesana
Notokanana tamin’ity herinandro ity ny fitaovam-pandrefesana ny singa mandrafitra ny toetry ny andro mahaleo tena ao Soavinandriana sy Itasy, napetraky ny Foibe famantarana ny toetry ny andro sy ny Cirad. Ao anatin’ny tetikasa « Démarches intégrées et accompagnement pour une agriculture familiale à Madagascar innovante et résiliente aux changements climatiques […]
FIVOI : 40 000 zana-kazo voavoly
Nanantanteraka fambolen-kazo tany Antanetibe Mahazaza, distriskan’Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny Fivoi. Nahatratra 40 000 fototra ireo zana-kazo novolena nandritra izany, nahitana karazana zana-kazo kesika sy kininina. Efa nahatratra taonina iray ny zana-kazo naparitaka tamin’ny disitrika maro manerana ny Nosy. « Miainga avy amin’ny tany sy ny hazo ary […]




