Fiaraha-monina

Taorian’i Gezani: Traboina miia 51 000 ao Toamasina tohanan’ny FID

Taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza mahery vaika, Gezani, izay namely mafy an’i Toamasina, napetraka ny rafitra fandraisana andraikitra maika hanohanana ireo tokantrano traboina. Amin’ny alalan’ny fandaharanasa fiarovana ara-tsosialy, Asa vonjy voina, no hanatanterahana izany. Tetikasa “Asa avotra mi­rindra”, haharitra enim-bolana sy asa tanamaro sandaina vola no entin’ny Fid hanohanana ireo tokantrano traboina […]

ONSFM : Zana-kazo 1 000 fototra nambolena

Mandray anjara amin’ny fanatsarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny Holafitry ny mpampivelona eto Mada­gasikara. Nandrakotra zana-kazo miisa 1 000 fototra teny amin’ny fokontany Ambohibe­ma­soandro, kaominina Talata Volonondro, ireo rasazy ma­nodidinana ny 300, ny faran’ny herinandro teo. «Miainga avy amin’ny fahadiovan’ny tontolo iainana ny fahasalamana, ka rariny raha manatanteraka […]

« Foire Pro’hygiène-cosmétique »: Homena sehatra ny mpanao asa tanana

Hotanterahina ny 30 avrily sy ny 1 ary 2 mey izao, eny amin’ny Kianjan’i Mahamasina, ny hetsika «Foire Pro’hygiène-cosmétique». Misahana manontolo ny fikarakarana ny ZRK Event. Fotoana io hanomezana sehatra ireo orinasa sy mpanao asa tanana. Tafiditra ao anatin’izany ny mpisehatra rehetra eo amin’ny «Propreté, hygiène, nettoyage, cosmétique, bien-être…». «Fotoana […]

Tsy fanjarian-tsakafo: Nojerena ny fiantraikan’ny tohana, any Androy sy Anosy

558 000 ny isan’ny zaza ahina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo, hatramin’ny volana avrily ho avy izao, ka ny 155 000 amin’ireo ao anaty tranga mahery vaika. Manohana ny asa fandraisana an-tanana i Frantsa. Nitsidika ny faritra An­droy sy Anosy, ny herinandro lasa teo, ny masoivohon’i Frantsa miasa eto Madagasikara, […]

INDRAY MIJERY

Hanomboka hiverina an-dakilasy, anio, ireo mpi­anatra any Toamasina, araka ny fanapahan-kevitra norai­sin’ny Praiminisitra, teto Toamasina, nandritra ny fidinana nataony tao amin’ny CEG Ratsimilaho. Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana (CEPE, BEPC, Bakalo­rea). Notsipihiny kosa fa arakaraka ny fahafahan’ny sekoly handray mpianatra no idirany amin’izay fampianarana izay. Nodiovina ny CEG Ratsimilaho tamin’ny alalan’ny […]