Mirona amin’ny fiompiana alika tsara karazana (chien de race) ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ izao fotoana. Miavaka amin’ny alika hafa izy ireny, indrindra eo amin’ny fikarakarana. “Miha mitombo hatrany ny olona tia miompy alika tsara karazana eto Madagasikara, raha ny zava-misy”, hoy Andry Petoulet Raveloson, mpiandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny ACYM, […]
Fiaraha-monina
WMG: nanampy ireo ankizy voan’ny homamiadana
Nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy voan’ny aretina homamiadana, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), ny zoma lasa teo. Voalohan-daharan’ny fikambanana ny hanampiana ireo olona sahirana ara-pivelomana. Tamin’ity, nitodika manokana tany amin’ireo ankizy marary voan’ny aretina homamiadana ny hetsika nataon’izy ireo. Voakasaik’izany indrindra ireo sahirana […]
Papa Leon XIV: “Mbola maro ny fifandirana”
Notanterahina ny alahady teo ny fankalazana manetriketrika ny sorona Masina fametrahana an’i Papa Léon XIV amin’ny toerany. Natao tao amin’ny Kianjan’i Md Piera izany. Niatrika izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta avy amin’ny firenena maro. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’izany. “Mbola maro ny fifandirana, ny ratra vokatry ny fankahalana, herisetra, […]
Teknolojia: tonga eto amintsika ny AI4Good Festival
Handray anjara amin’ilay fifaninanana irasaim-pirenena IA4GOOD Festival i Madagasikara. Fifaninanana ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) natokana ho an’ny tanora 12 ka hatramin’ny 25 taona. Hifantoka amin’ny famoronana horonan-tsary fohy 1-2 minitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny IA ny lalao. Hivoitra ao anatin’izany ny tetikasam-panabeazana, ny ankizy sy ny tanora ao anatin’ny […]
Faritra Fitovinany: nojerena ifotony ny fiahiana sosialy
Tontosa ny fidinana ifotony nijerena ireo sehatra fiahiana ara-tsosialy tanterahin’ny ONG Tanintsika tao amin’ny kaominina Ambila. Nanatanteraka izany ireo tomponandraiki-panjakana ao anatin’ny faritra Fitovinany, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), notarihin’ny solontenany voalohany eto Madagasikara, i Tania Goossens. Tetikasa miisa roa no notsidihina tamin’izany: […]