Fiaraha-monina

CHU: misokatra ny tolotra Scanner

Mampahafantatra ny hopitalim-panjakana CHU HJRA fa efa misokatra ho an’ny rehetra ny Scanner ao an-toerana. Ao amin’ny sampandraharaha Imagerie médicale no misy izany fitaovana fitiliana izany ary efa mandeha tsara, araka ny fanazavana hatrany. Ahafahana manatanteraka fitiliana ara-pitsaboana, amin’ ny alalan’ny teknolojia maoderina, ka manamora ny fikarakarana sy ny fitsaboana […]

IFR: Faritany mizaka tena no vahaolana

Mitaky ny hametrahana ny faritany mizaka tena ny fikambanan’ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR) nandritra ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny boriborintany faharoa, ny faran’ny herinandro teo. Sady tsy fanjakana tokana no tsy fanjakana federalisma no takin’izy ireo fa faritany mizaka tena mihitsy. Tsy tokony hiandry ny fanapahan-kevitry ny fajakana foibe […]

Tsy fanarahan-dalàna eto anivon’ny CUA: tafakatra hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny lamandy

Sazy avy hatrany no ampiharina ho an’ireo tsy refesi-mandidy eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Ankoatra ny sazy dia eo koa ny lamandy izay tafakatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ariary. Rehefa natao ny fanentanana sy ny fialana nenina rehetra nandritra ny taona maro sy fotoana lava dia miroso amin’ny fampiharana ny sazy sy […]

INDRAY MIJERY

Ambany ny tetibola amin’ny fikarohana, efa mijery ny paikady hitadiavana vola ho amin’izany ny mpikaroka. Anisan’izany ny projet UniPod, hamadihana ny voka-pikarohana iray ho orinasa. Miverina any amin’ny asa fikarohana ny ampaham-bola miditra. Vahaolana faharoa mampihodina ity sehatra ity koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. An-jatony isan-taona ny voka-pikarohana […]

ZRK Événement: Hanomezana tari-dalana ho an’ny mpianatra

Hotanterahina ny 1 ka ha­tramin’ny 3 septambra 2026 izao, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny hetsika fampahanfantarana sy fanomezana torolalana ireo mpianatra afaka bakalorea amin’ireo karazana lalam-piofanana azon’izy ireo harahina raha hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Ny ZRK Événement no mpikarakara ny hetsika. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, Zina Rakotoseheno, […]