Fiaraha-monina

Orange-« Supercodeurs » : nahazo fitaovana sy vatsim-pianarana ireo nandresy

Nifarana omaly, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fifaninana nasionaly “Supercodeurs” ao anatin’ny “Ankiz’Innov Vakansy 2024”, andiany faharoa. He­tsika niarahan’ny Orange Solidarité Madagascar niasa tamin’ny Unicef. Nahafahana nanome atrikasa teo amin’ny tontolon’ny teknolojia ho an’ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekoly niomerika, nanerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Notolorana […]

Ady amin’ny famarinana olona : mitohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra

Manohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona ny Biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny famarinana olona. Teto Antananarivo no nanombohana izany, ny volana aogositra lasa teo. Mpisehatra sosialy mifandray sy misahana akaiky ireo olona tena iharan’ny famarinana miisa 22 no nisitraka izany fiofanana izany. Nahitana ny avy […]

Peace Corps Madagascar : 9 mianadahy hilatsaka an-tsitrapo hampianatra

Mihatonga tsikelikely ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina na ny Peace Corps Madagascar hanampy amin’ny asa fanabeazana sy ny fambolena ary ny fahasalamana eto an-toerana. Niampy 9 mianadahy indray izy ireo, ankehitriny. Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina (Peace Corps Madagascar) 9 mianadahy indray no nanao fianianana, ny faran’ny herinandro teo, hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa […]

Raharaha Anjozorobe : « Fahavalom-bahoaka ireo mpaka an-keriny », hoy ny MFA

« Sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireny nitranga tany Anjozorobe ireny ary tena famonoan’olona… », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy, omaly, teny Ampahibe. Mitohy ny hazalambo na efa tratra aza i Rakom. Nitondra fanazavana momba ilay raharaha fakana an-keriny na­moizana ain’olona tao Ma­rotsipoy, distrikan’Anjozorobe, ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana (Emmo/Nat), […]

INDRAY MIJERY

Androy, Anosy, Menabe, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana. Ireo no Dren 6 nisitraka fampiofanana momba ny fizohiana sy fanaraha-maso ny tolotry ny fanabeazana fototra eny amin’ireo sekoly (Score). Tanjona ny hifehy ny fanaraha-maso eny ifotony amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana hisian’ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra. Mbola mitoetra ao amin’ny morontsiraka atsimo […]