Hotontosaina, anio, eny amin’ny tokotany malalaky ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro, ny « Andron’ny firaisankina ». Hetsika iarahan’ny CTOJM sy ireo fikambanana mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy mikarakara izy ity. Natao ho fanohanana sy fanomezan-tanana ireo mpanao gazety traboina any amin’ny Faritra Atsinanana […]
Fiaraha-monina
Fanampiana ireo traboina Miara-miasa i Shyn sy ny Zanak’ala
Manoloana ireo tranga fisavoritahana sy korontana ary fisolokiana sy fanodinkodinana ny fanomezana ka tsy mipaka amin’ny tokantrano tokony hivantanany, nanapa-kevitra ny tsy handefa ny anjara hanampiany ho an’ny traboina eto Toamasina ny vondron’ny fikambanana Zanak’ala avy ao Fianarantsoa, tarihin’ny mpandraharaha Mamy Bé Forst. Nametraka fiaraha-miasa mivantana amin’ny mpanankato Bé Jean […]
Etazonia sy i Madagasikara: 175 tapitrisa dolara ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana
Manohana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara i Etazonia. Vola mitentina 175 tapitrisa dolara no entina miasa mandritra ny 5 taona (2026-2030). Vola mitentina 134 305 000 dolara ny fanampiana avy amin’ny governemanta amerikana hanatanterahana ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana eto Madagasikara. 41 216 252 dolara kosa ny tetibola entin’ny governemanta malagasy hiaraha-miatrika ny […]
Fanampiana ny traboina: Napetraka ny Vovonana handrindra ny fitsinjarana
Taorian’ny antso voim-pirenena nataon’ny fitondram-panjakana, betsaka ireo mpiray ombon’antoka sy firenena vahiny naneho fahavononana hanampy amin’ny fanarenana rehefa nitranga ny voina. Misy ny dingana tsy maintsy arahina mialoha ny famoahana vola sy izay voafaritry ny lalàna malagasy mifehy ny fitantanambolam-panjakana amin’ ny fampidirana izany anatin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny kaontin’ny BNGRC. […]
Miaina anaty herisetra mangina ny vehivavy : Tsy salama, mihena ny vola miditra noho ny tsy fisitrahana rano
Naranty an-tsary, omaly, teny Antanimena, ny zavatra iainan’ny vehivavy momba ny fahasarotana misitraka rano madio amin’ny andavanandro. Nampahafantarina niaraka tamin’izay koa ny valin’ny fanadihadiana momba ny fisitrahana rano, indrindra ho an’ny vehivavy eto Antananarivo. Manaiky miaina ao anatin’ny tsy fisitrahana rano izy ireo noho ny zava-misy. Misy fiantraikany amin’ny asa […]




