Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina, izay voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny kaominina Behompy, Toliara II, faritra Atsimo Andrefana. Tonga nanolotra izany tetsy alohan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Analakely, izy ireo, ny sabotsy lasa teo. “Tonga eto izahay solontena avy any amin’ny kaominina Behompy mba hiombom-po amin’ny vahoakan’i Toamasina satria […]
Fiaraha-monina
Mbola tsy levona i Gezani: Loza mitatao ho an’Ampanihy sy Beloha
Omaly tolakandro, tany amin’ny 162 km andrefan’ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay rivodoza Gezani. Nihena hatrany ny heriny. 80 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 110 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana izy ka nahafaka 11 km isan’ora. Tombanana hanakaiky kokoa ny morontsiraky ny distrikan’Ampanihy Andrefana izy […]
Fanampiana ny traboina ao Toamasina: Mifarimbona ny Nifin’Akanga, ny Autisme Madagascar ary ny OIM
Mavesatra ny ratra navelan’i Gezani. Hatramin’izao, mbola tsy tafarina i Toamasina. Mila ny tolo-tanan’ny rehetra ho fananganana indray ny fihariana. Nitondra ny anjara birikiny ny Nifin’Akanga… Mifarimbona amin’ny tolo-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, tany Toamasina, ny Nifin’Akanga, ny Autisme Madagascar ary ny Organisation internationale pour […]
INDRAY MIJERY
Nisy ny fandaminana noraisin’ny Holafitry ny farmasianina hanamorana ny tolotra ho an’ireo marary manjifa fanafody rehefa faran’ny herinandro. Efa misy isaky ny boriborintany enina ny farmasia mpiandry raharaha. Tsy voatery mandeha alavitra intsony, araka izany, ireo izay hividy fanafody. Misy ihany koa ireo farmasia ivelan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra misokatra 7j/7 sy […]
Valanaretina Mpox : Mbola misoko miadana ny aretina
Tsy tokony ho variana fa mbola misoko-miadana ny valanaretina Mpox. Ny zoma teo, nisy ny tranga vaovao voamarina miisa 8 ka ny 4 tany Mahajanga, ny 3 Antananarivo ary ny 1 tany Ifanadiana, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Fitambaran’ny tranga voamarina rehetra hatramin’ny nitrangan’ity aretina ity dia mahatratra 312, […]




