Mbola hita taratra hatrany ny orana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka ho an’ny afovoan-tany, faritra avaratra andrefana ary morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Nanentana manokana momba ny fahadiovana sy ny fitondran-tena maha tomponandraikitra ny « Cellule d’engagement civique et environnemental (CECE) » eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, […]
Fiaraha-monina
Fampianarana ambony : Fanamby ny hanatanterahana bakalorea madio
Vita ny tombana momba ny fanadinana bakalorea taona 2025 nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Zava-dehibe nampiavaka ny Bakalorea 2025 teo ny fampiasana ny “caméra de surveillance” sy ny rafitra fiarovana manokana ho fanaraha-maso ny laza adina. Nahomby ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana miady amin’ny “cybercriminalité” nanenjehana ireo mpivarotra […]
Orinasa Cnapmad : Misy disadisa ny mpitantana sy ny mpiasa
140 ny mpiasa mampihodina ny Cnapmad, foibe mpamokatra fitaovam-pianarana sy boky enti-mampianatra, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny disadisa momba ny fitantanana eo anivon’ity foibe ity mahakasika ny mpiasa sasany sy ny tale jeneraly. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpiasa, Rafilahy Rodin, fa misy ny antsojay mihatra amin’izy ireo. Sady manao […]
Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza : Hampiantrano ny fivoriana i Madagasikara
Handray ny fihaonana an-tampon’ny firenena afrikanina aty amin’ny faritra andrefana, ao amin’ny vondrona Sadc, misehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza i Madagasikara. Hatao ny 25 ka hatramin’ny 27 novambra ho avy izao, eny Alarobia, izany. “I Madagasikara no miantoka ny fanamorana ny fivoriana sy mampiantrano izany fa ny […]
INDRAY MIJERY
Natao omaly ny lanonana fanombohana ny asa fananganana Lycée vaovao ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka, izay iandraiketan’ny kaominina ao an-toerana. Etsy andaniny, tsy manaiky ny fananganana ity fotodrafitrasa ity ao anatin’ny faritry ny EPP ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amn’io EPP io. Nanazava ny ben’ny Tanàna fa hiavaka tsara ny lycée […]




