Tokantrano 2 371 ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy tokantrano 1 241 ao amin’ny distrikan’i Farafangana no nisitraka tohana tamin’ny alalan’ny tetikasa Vatsin’Ankohonana ny faran’ny herinandro teo. Nizara mivantana izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fampiasana izany vatsy izany ny fampianarana ny ankizy […]
Fiaraha-monina
Fikambanana silamo Ihya : hametraka fiaraha-miasa amin’ i Madagasikara
Tonga eto Madagasikara ireo fikambanana silamo Ihya avy any Turkie. Fikambanana silamo izay misehatra amin’ny asa sosialy sy fampandrosoana isan-tsokajiny. Hametraka fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ny fitondram-panjakana Turque izy ireo. Tanjona ny hampandrosoana ny ara-tsosialy eto amin’ny Nosy. “Maro ny asa sosialy sy fampandrosoana ilain’ i Madagasikara. Toy ny […]
Mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna : manao fitsirihana ny fanjakana
Manao fitsirihana ireo fivarotam-panafody manerana ny Nosy ny fanjakana. Tsy handefitra amin’ireo mivarotra fanafody tsy nahazoana alalana izy ireo. Tra-tehaka ny fivarotam-panafody iray tao Ampefy. Nandritra ny fidinana tany Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy, ny faran’ny herinandro teo, nanaraha-maso ny tontolon’ny fahasalamana any an-toerana no nahatraran’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka notarihin’ny […]
Vokatry ny fifampiresahana : miverina miasa ny Meteo
Nanao fanambarana ny mpiasan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara, fa miditra amin’ny fitokonana ny mpiasa ka ny asa fampandehanan-draharaha na asa farafahakeliny ihany no tanterahina nanomboka ny alakamisy lasa teo. Tapitra ny 72 ora napetrak’izy ireo tamin’ny fivoriambe natao ny 23 aogositra teo. Tonga teny an-toerana ny […]
Fiatrehana rivodoza – MAROANTSETRA: Novolavolaina ny paikady
Araka ny voafaritra ao anatin’ireo voka-panadihadiana nataon’ny mpikaroka sy ny manampahaizana manokana, anisan’ireo distrika voasokajy ho tena marefo manoloana ny mety ho fitrangan’ny loza entin’ny rivodoza sy ny tondradrano i Maroantsetra. Noho izany, noheverina fa tokony hojerena manokana ny fanamafisana ny fahafaha-miatriky ny mpiantsehatra rehetra any an-toerana, hampiakarana ny traikefan’ny […]