Mikarakara alim-pandihizana sy kaonseritra etsy amin’ny Café de la gare Soarano, androany sy rahampitso, ny ONG Lion’s Club Antananarivo Miranandro. Hanafana ny lanonana, mandritra izany, ny mpanakanto maro. Ahitana an-dry Jean aimé, Do Rajohnson, Lôla, Njara Marcel, sy ny maro hafa. Manomboka amin’ny 8 ora alina, mandra-maraina ny fotoana amin’ireo […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Niara-nidinika tamin’ny ekipa teknika momba ny ranon’ny Jirama teny Mandroseza ny delegasionina mpikaroka avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa notarihin’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, niaraka tamin’ny tale sy mpikaroka avy amin’ny Ivontoeram-pikarohana sy avy ao amin’ny sekoly ambony Polytekinika Antananarivo (ESPA)-Vontovorona. Nojerena ifotony, nandritra izany, ny zava-misy […]
Village Voara: Maimaimpoana ny famindrana zaza hotsaboina
Omaly, efa vonona tanteraka ny fotodrafitrasa ao amin’ny Village Voara, hamindrana ireo zaza tsy maintsy ampidirina hopitaly vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana, bronchiolite. Vonona ny fitaovana ilaina rehetra, ahitana fandriana sy kojakoja fitsaboana, oxygène, ny fanafody ilaina amin’ny fitsaboana ary ireo ekipa mpitsabo sy mpikarakara ny marary efa nahazo fiofanana manokana. […]
Fanampiana traboina : Nahazo tohana ny Akany Onjasoa Toamasina
Anisan’ny rava tanteraka, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny Akany Onjasoa ao Tanambao Verrerie II, Toamasina. « Potika sy rava ny 90% ny sekoly, izay ahitana mpianatra manodidina ny 1 340 isa sy mpanabe 32 », hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana Malaza ny Gasy, Razanamanantsoa Emma. Anisan’izany ny efitrano fianarana rehetra hatramin’ny […]
Fandalovan’ny Gezani : Nampitombo ny fidiram-bolan’ny mponina sasany ao Toamasina
Samy manao ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba ny ankamaroan’ny mponina any Toamasina. Nampitondra faisana tany an-toerana rahateo ny rivodoza Gezani. Nahitana fiakarany avokoa anefa ny vidin-javatra rahetra. Misy sokajin’olona mahazo tombony! Manoloana ny fahasimban’ny tanàna maro any an-toerana, lasa nahatonga fiforonan’ny asa tsy manara-drafitra isan-karazany izany zava-misy izany. Nahitana fiakarany […]




