Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Niakatra ho 821 250 ny tokantrano hisitraka ny tohana ara-bola “Tsimbina” raha noheverina ho 657 000 teny am-panombohana ny tetikasa. Ho an’Anta­nanarivo Renivohitra, mahatratra 150 000 ny tokantrano hisitraka ny 200 000 Ar, izay atao indroa mandoa amin’ ny mobile money. Tokantrano 522 759 no efa nahazo ny anjarany ho an’ny faritra maromaro. Hitohy […]

Parcours Médiations et Management Culturel : nanao fanadiovana faobe teny Ankatso

Mpianatra L3, mahatratra 62, ao amin’ny Parcours Média­tions et Management Culturel, amin’ny Mentions Études Françaises et de la Franco­phones, Oniversiten’Antana­narivo, no nanao fanadiovana faobe anatin’ny faritry ny oniversite, nanomboka omaly. Tafiditra anatin’ny module Médiation de développement local ny asa fanadiovana sady fanentanana ny mpianatra rehetra hifandrimbona hanatsara ny tontolo manodidina […]

ONN-Foara B to C : nizara torohevitra momba ny sakafo

Nisokatra ny alarobia lasa teo ny “Foara B to C”, nandraisan’ireo fikambanana na ONG anjara, tanterahina eny an-tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina Mahamasina. Nitondra torohevitra ho an’ny mpitsidika momba ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fampianarana ny sakafo ara-pahasalamana ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Manana toby Fafi […]

Sambo Mercy Ships : hohavaozina ny fifanarahana amin’ny fanjakana malagasy

Nanana anjara betsaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny lafiny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Hotohizana ny fiaraha-miasa amin’ny Mercy Ships Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny mini­sitra farany teo ny firosoana amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fikambanana tsy miankina Mercy Ships. Ny taona 2014 no nisy ny […]

Fahasalamam-bahoaka: handao an’i Madagasikara ny Mercy Ships

Tapitra ny fotoana hiasan’ny Mercy Ships eto Madagasikara. Handao ny Nosy amin’izay ity sambo mpanao asa soa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ity. Enim-bolana izay no na­hatongavan’ny sambo Mercy Ships  teo amin’ny seranan-tsambon’ i Toa­masina. Ankehitriny, miomana hitodi-doha hiverina any amin’ny firenena niaviany amin’izay ity sambo lehibe nisahana ny fahasalamam-bahoaka […]