Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny […]
Fiaraha-monina
Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana
Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny rotsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra […]
IHSM- Oniversiten’i Toliara: azo havadika ho plastika levona ny lomotra
Miroborobo ny fikarohan’ny mpianatra ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), Oniversiten’i Toliara. Anisan’ny miavaka ny fitrandrahana ny lomotra. Anisan’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), ao amin’ny oniversiten’i Toliara, izay ivontoerana tokana mampianatra sy manao fikarohana momba ny ranomasina eto Madagasikara, […]
Fiatrehana ny hamehana: miara-miasa ny BNGRC sy ny Jirama
Nandrindra ny asa ao anatin’ny hamehana ho fiatrehana sy fiomanana ireo vonjitaitra sy loza mety hitranga ny orinasa Jirama sy ny BNGRC. Voakasik’izany ny fanabeazana sy fanentanana ny mponina hanena ny trangana loza fanampiny amin’ny alalan’ny fitaizana sy fampahafantarana ireo fitandremana ilaina sy ny fihetsika tokony hatao manoloana ny toe-javatra […]
Laboratoara-CHUJRA: karazany maro ny fitiliana azo atao
Mitondra fanazavana ho an’ny olona mankeny amin’ny laboratoaran’ny hopitaly ny profesora Razanakolona Mialy, lehiben’ny sampandraharahan’ny laboratoara microbiologie, parasitologie et mycologie ao amin’ny CHU JRA. Ao amin’ny rihana voalohany no misy ity sampandraharaha ity. Mizara roa ny andrikitra: ny fitiliana sy ny fampiofanana. Mizara telo ny otrikaretina tilina ka anisan’izany ny […]




