Fiaraha-monina

Zokiolona : Nalamina ny fisitrahana fisotroan-dronono

Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gezani eto amin’ny Nosy sy ho fiarovana ny ain’ireo zokiolona mpisitraka ny vola fisotroan-dronono, namoaka lamina manokana ny tahirimbolam-panjakana. Tsy nisokatra, omaly, ireo birao manerana ny faritra Analanjorofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anala­man­ga, Betsiboka. Noho izany, ireo rehetra tokony ho nandray ny fisotroan-drononony ny 11 febroary, tamin’ireo […]

Potika 80 % i Toamasina : 31 ny olona maty, 4 tsy hita popoka

Rava tanteraka i Toamasina ! Mahatratra 80 % ny faharavan’ny tanàna. 29 no maty tao an-toerana, roa hafa tany Ambatondrazaka, araka ny tatitra farany, omaly. Any an-toerana, mijery sy manohana ny traboina ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Araka ny tombana voalohany, mahatratra hatramin’ny 80 % ny fahasimbana ao an-tanànan’i […]

Oniversite : Toamasina Ilàna fitantanana mangarahara

Tafapetraka tamin’ny fi­tantanana ny Oniversi­ten’i Toamasina, ny Dr Razanakolona Diny, ny alakamisy 29 janoary 2026 lasa teo. « Ilàna fitantanana mangarahara mifototra amin’ny fanajana ny maha olona, ny mpianatra sy ny mpanabe ary ireo mpikaroka ny fitantanana ny oniversite eto Madagasi­kara », hoy ny filohan’ny Oni­versiten’i Toamasina. Namba­rany fa ilàna fanoloran-tena sy fahafoizan-tena, […]

Praiminisitra: Nitsidika ny faritra Atsinanana

Nitsidika ny faritra Atsi­na­nana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herin­tsalama Andriamasy, ny talata sy alarobia lasa teo. Nano­tro­na azy tamin’izany ny minisitra efatra mianadahy, mpikambana amin’ny governemanta. Notsidihina nandritra izany, ny tapany atsimon’i Toamasina, distrikan’i Maha­noro sy i Vato­mandry izay sa­my simban’ny rivodoza Fytia avokoa. Toy izany koa ny tao […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina ny faran’ny andro teo, teo ambany fiahian’ny mpanolotsaina avon’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny jeneraly Rabearimanana Lucien, sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ny Pr Hajalalaina Aimé Richard, ireo Sojaben’ny Fakiolte sy […]