Nanome fanampiana ara-bola ho an’ireo olona manana fahasembanana sy sahirana ny “groupe axian”, omaly, tetsy Andraharo. Nisitraka ny tolotra ireo olona manana fahasembanana sy sahirana monina eto Antananarivo sy ny manodidina. “Nanokana fotoana kosa izahay androany mba hahafahana miresaka momba ny fahasahiranana misy eo amin’ireo olona manana fahasembanana ireo”, hoy […]
Fiaraha-monina
« Salon de l’Espa » : Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra
Nanomboka, omaly, ary hifarana rahampitso etsy amin’ny Parvis Analakely ny “salon de l’Espa”, andiany faharoa. Hetsika natao hanampiana ireo ankizy malagasy maniry ny hianatra eny anivon’ity sekoly ambony ity. «Tanjona ny hisian’ny fifaneraserana eo amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny sekoly ary ny mpianatra mba hahafahana mijery ny zavatra azo tohanana arakaraka […]
minisiteran’ny Mponina : misokatra ho an’ireo tsy manan-kialofana
Nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly. Tanjona ny hahafahana miara-mandroso eo amin’ny sehatry ny asa. Teny an-toerana nitarika izany ny minisitra, Razafinjato Aurélie. Miha mitombo ireo olona an-dalambe eto amin’ ny Nosy, indrindra ny eto Antananarivo, raha ny zava-misy. […]
INDRAY MIJERY
Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Fiadanana ireo solontenan’ny mpianatra monina eny amin’ny Campus Ankatso II, tamin’ity herinandro ity. Laharam-pahamehana ny hamahana ny olan’ireo mpianatra mipetraka eny Ankatso II ireo mahakasika ny jiro sy ny rano ary ny kalitaon’ny trano fonenana. Efa nidina ifotony teny an-toerana […]
Fampianarana teknika Vakinankaratra: hiara-hiasa amin’ny tsy miankina
Nidina ifotony nijery ireo fotodrafitrasa sy fampiofanana atolotra ao amin’ireo ivontoeram-panofanana mandrafitra ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Vakinankaratra ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline, tamin’ity herinandro ity. Natomboka tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritra ny fitsidihana. Avy eo nitohy tao amin’ny Lycée téchnique et professionnel Antsirabe, Lycée téchnique et […]