Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tetsy Ambaranjana, ny Première agence de microfinance Madagascar (Pamf) sy ny ESCM Business School, omaly. Nametrahana ny atrikasa antsoina hoe: Pamf Academy izany. «Fiaraha-miasa stratejika mikendry ny hanamafisana ny fanofanana ho an’ireo tanora malagasy. Ireo misehatra amin’ny tontolon’ny fitantatana eny anivon’ny banky sy ny famatsiam-bola madinika izany», […]
Fiaraha-monina
Vehivavy manana fahasembanana: Matetika didiana rehefa miteraka
Ireo renim-pianakaviana manana fahasembanana ara-batana, amin’ny ankapobeny, no tsy maintsy mandalo fandidiana rehefa hiteraka. Mahatonga izany ny tsy fahatomombanan’ny ampahany amin’ny vatany ka tsy hahafahany mamoaka zaza ara-dalàna, araka ny fanazavana nentin’ny dokotera iray nanontaniana. Tsy mora anefa ny fiatrehana ny fandidiana fa mila vola ary mihoapampana izany, araka ny […]
Valanjavaboahary Mantadia : Ampirisihina ny Malagasy hisitraka ny hakantony
Lalana mirefy 17 km miditra any amin’ny valanjavaboaharin’i Mantadia, ao Andasibe, no nasiam-panamboarana, ny faran’ny herinandro teo. Hitombo ny Malagasy mpizahatany hihanoka ny harena voajanahary. Nifarimbona nanamboatra ny lalana 17 km mankany Mantadia ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ireo mpino kristianina 600 mahery avy ao amin’ny FJKM Zoara […]
Atsimo Atsinanana: Miroso ny fametrahana ny “Dina tsy mavandy”
“Dina tsy mavandy” no anaran’ny dina ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Efa nahazo fankatoavana tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Farafangana izy io, tamin’ny volana desambra 2025. Miroso ny fanaparitahana sy fampiharana azy amin’ izao fotoana izao. Izay no anton’ny atrikasa niantsoana ireo mpitondra eto amin’ny faritra nahitana ny prefektora, mpiandraiktra […]
INDRAY MIJERY
Nitombo ho 14 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia tamin’ny faritra sivy. 38 ny distrika voakasika. 85 642 ny traboina (tokantrano 20 898) ; 26 959 ny olona nafindra toerana (6 450 tokantrano) ka ny 16 605 raisina an-tanana eny amin’ny toeram-pandraisana 48. Ho fampiakarana ny lentan’ny fampianarana eny anivon’ ny […]




