Hifarana anio ny telo andro hanantanterahana ny zaikabe 2024 ataon’ny fikambanan’ny vady miaramila (FIVAMI) manerana ny faritra telo. Anisan’ny ahitana izany, ny any Fianarantsoa, Antsirabe ary Mahajanga. Hahazo vahana mandritra ny famaranana ny tolotra ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ary hetsika ara-kolontsaina samihafa. Samy hahazo tombony amin’izany na ny mpikambana na ny […]
Fiaraha-monina
Sekolim-panjakana : tsy andoavam-bola ny fampidirana mpianatra
Ho fanamaivanana ny vola aloan’ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana an-tsekoly ny zanany, nametraka lamina vaovao ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, araka ny fanambaran’ny minisitra, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly. Tsy mahazo mampandoa vola ny ray aman-drenin’ny mpianatra intsony ireo sekolim-panjakana tsy manana mpampianatra Fram tsy mahazo fanampin-karama avy […]
INDRAY MIJERY
Hanomezana sehatra manaja ny tandrohasina sy ny fehezam-pitsipika amin’ny lafin’ny fahasalaman’ny saina sy ny manodidina ny asan’ny « psychologue », mampahatsiahy ny besinimaro ny Holafitra nasionalin’ny psychologue eto Madagasikara fa ny anarana maha «psychologue » dia arovan’ny lalàna ary ny anarana «psychothérapeute» kosa natokana ho an’ireo «psychologue» sy mpitsabo nahazo […]
Sehatra tsy miankina: nivoaka ny lalàna vaovao mifehy ny asa
Nivoaka sy manan-kery ny lalàna vaovao mifehy ny asa, laharana 2024-014, tamin’ny 14 aogositra lasa teo. Maro ny zava-baovao sy ny fanatsarana entin’ity lalàna ity eo amin’ny sehatry ny asa ka anisany ny fanamafisana ny zo fototra arakasa. Miompana indrindra amin’ny fanajana ny maha olona, ny fitovian-jo, ny tsy fanekena […]
Vehivavy minisitra : andrasana ny famerenan-kasina
“Faly dia faly satria nahitana salan’isa tena tsara ho an’ireo vehivavy minisitra ny tamin’ity indray mitoraka ity», hoy Rakotohery Mireille, mpandrindra ny Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF), faritra Analamanga, raha nanontaniana. “Misaotra ny Zanahary satria nisy tolo-tsaina avy aminy tao matoa nitranga izany”, hoy hatrany izy. Nisaotra ny nanendry […]