Manomboka amin’ity herinandro ity, manomana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao ny sekolim-panjakana eny amin’ny ambaratonga fototra. Mandray ireo ray aman-dreny hanoratra anarana ny zanany miaraka amin’ny fanefana ny latsakemboky ny Fram izy ireo. Nandray ny asany nanomboka omaly ny mpandraharaha eny anivon’ny EPP eto Antananarivo, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena […]
Fiaraha-monina
FLM Andranomadio : Pasitora sy Katekista maty notafihin’ny dahalo
Maty teo am-panavotana ny katekista niharan’ny fanafihan-dahalo tao Mampikony, omaly, ny pastora François Vivier. Nokapain’ny dahalo ny antsibe koa ny vadin’ilay katekista… Nisy dahalo nanafika tao an-tranon’ny katekista Tsaratombo eo anivon’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM) Andranomadio, fitandremana Tsangambato, fileovana Mampikony, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Mifanakaiky amin’ny trano fonenan’ny pastora […]
INDRAY MIJERY
Nandray ireo mpianatra avy ao amin’ny Oniversite Emit Fianarantsoa, nitsidika ny birao foiben’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, mandritra ny “voyage d’études” tanterahin’izy ireo eto Antananarivo, ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ny ekipany. Mpianatra M1 amin’ny lalam-piofanana Management décisionnel izy ireto, izay miisa 90. Nisy […]
Fiarovana amin’ny nendran-gidro : nahazo fatram-baksiny voalohany i RDC
Firenena afrikanina 13 amin’izao fotoana izao no ahitana ny valanaretina nendran-gidro na Mpox. Ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ny 90% amin’ny tranga 3 500 voatily, araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny herinandro lasa teo. Miovaova isaky ny firenena ny tahan’ny olona voatily fa marary. I […]
Bakalorea Toamasina : 66,30% ny taham-pahafahana
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny valim-panadinana bakalorea ho an’i Toamasina. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, mahatratra 65,66% ny taham-pahafahana, raha 78,33% kosa ho an’ny fampianarana teknika. Manome taham-pahafahana 66,30% ho an’ny fanadinana tamin’ity taom-pianarana ity, raha ny fanazavana azo. Ny zoma tamin’ny 5 ora hariva vao niantomboka ny “délibération”, nialohavan’ny […]