Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nanao tombana ny minisiteran’ny Fampia­nara­na ambony mahakasika ny hetsika « Fosika » nandritra ny volana janoary. Fantatra fa nahatratra 37 ireo fitarainana voaray ka diplaoma sandoka ny 5 tamin’ireo, dimy hafa kolikoly ary tolotra fiofanana tsy ara-dalàna ny 2. Fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna ny 5 ary herisetra ny 5 hafa. […]

Aretina haromotana: Tsy maintsy maty rehefa miseho ny soritraretina

Mila fahamailoana foana ny aretina haromotana. Ma­nao fanairana ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka fa aretina mahafaty raha tsy voasoroka haingana ny haromotana. Mifindra amin’ny olona amin’ny alalan’ny kaikitra na rangotra na lelaka amin’ny faritra maratra. Ao amin’ny roran’ny biby mafana ra no misy ilay virus. Misoko miadana ny are­tina, arakaraka ny […]

Olana ara-tsakafo : Nanao antso fanampiana iraisam-pirenena ny fanjakana

Ho mafy kokoa ny krizy ao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana satria ao anatin’ny fotoana maitsoahitra isika izao, hatramin’ny volana avrily. Nanomboka ny faran’ny taona 2024 ka hatramin’ny taona 2025, niharan’ny loza voajanahary ni­sesy ireo faritra ireo, nisedra haintany sy rivodoza niteraka […]

Ady amin’ny Mpox : Nanolotra fitaovana ny Mercy Ships

Hanamafisana ny ady amin’ny valanaretina Mpox, nanome fitaovana hampiasaina eny amin’ny toerana mandray an-tanana ny mararin’ity aretina ity ny Mercy Ships. Mitondra fanantenana sy fanasitranana ho an’ny marary no tarigetran’ny Mercy Ships ka izany indrindra no hitondrany tolo-tanana hiadiana amin’ ny aretina Mpox. “Mpiara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fahasala­mana izahay ary […]