Tombanana hibaliaka ny masoandro, ho an’ny anio, eto afovoantany, satria hikisaka any atsimon’i Madagasikara ny rindrin-drahona, raha ny vaovao navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, omaly. Ahitana fiakarana goavana, araka izany, ny maripana ho an’ny eto afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy, mandritra izany. Tombanana hisy rotsakorana any amin’ny tendrony atsimon’i […]
Fiaraha-monina
Skotisma-Afrika: handray ny fivoriam-paritra i Madagasikara, ny taona 2025
Hifarana anio, any Le Caire (Egypte), ny fivoriana iraisam-pirenena faha-43 ho an’ny skotisma, andraisan’ny fikambanana skoto malagasy anjara. Naharitra herinandro ny fivoriana, nahitana skoto 2 000, sy mpitarika avy amin’ny firenena 176, araka ny fanazavana azo. Fotoana nandraisana fanapahan-kevitra koa momba ny fikambanana sy ny lalana hitondrana ny hetsika amin’ny hoavy […]
Asan’ny PAF : Polisy 49 hiatrika fiofanana
Hanaraka fiofanana momba ny asan’ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (Paf) ireo polisy miisa 49, nanomboka omaly. Tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry amin’ny fanatsarana ny tolotra sy amin’ny famaliana ny hetahetan’ireo olom-pirenena eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato izany. Hifantoka amin’ny fampahafantarana ny asan’ny […]
Kaomisera Rafaliarivo Jules : « Aoka izay ny fampandosirana voafonja »
Trangan-javatra roa no natsidiky ny kaomandin’ny polisin’ny Fip Toamasina, ny Kaomisera Rafaliarivo Jules teo anatrehan’ny fivorian’ny OMC, ny alatsinainy teo nandritra ny famoriana ny sefo fokontany, omaly. Voalohany, ny tandrevaka ataon’ny mpiandry fonja ka mahatonga ny voafonja tafatsoaka ary ireo voafonja tena atahorana mafy sady mpanao fanafihana mitam-piadiana. « Aoka izay […]
Fandriampahalemana – Toamasina: mikatona amin’ny 10 ora alina ny toeram-pisotroana
Tsy maintsy hatsangana ny andrimasom-pokonolona, tsy maintsy mikatona ny toeram-pisotroana rehetra aorian’ny amin’ny 10 ora alina…Santionany amin’ireo fepetra noraisina manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina… Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, tsy nijery fotsiny izany ny tomponandraiki-panjakana tarihin’ny prefet-n’i Toamasina, Benandrasana […]