Fiaraha-monina

Antsirabe : Sehatra maro no iasan’ny Fondation Axian

Maro ireo fotodrafitrasa natsangan’ny Fondation Axian ao Antsirabe. Mahasahana se­hatra samihafa izany. Ani­san’ny nisongadina nandritra ny fitsidihana tany ann-toerana ny fanavaozana ny EPP Mia­ramasoandro, sekoly Yas voalohany naorina tamin’ny taona 2015. Mankalaza ny faha-10 taonany ny sekoly amin’izao fotoana ary efa an’ arivony ny mpianatra nandalo tao, raha ny fanazavana nen­tin’ny […]

Loza mitatao ho an’ny kaominina enina : Atahorana ho vaky ny fefilohan’i Sisaony

Mbola faritra mena ny kaominina enina, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Mampanahy ny mety ho fahavakisan’ny fefilohan’i Sisaony. Efa tafakatra 2m 24 rahateo ny haavon’ny renirano, eo Ampitatafika. Manambana ho vaky ny fefilohan’i Sisaony, morony havanana, any Ampahitrosy. Mbola mitoetra, araka izany, ny filazana loza mitatao (mena) amin’ny tondradrano amin’ny kaominina […]

Fondation Axian : Notokanana ireo CSB II miisa 4 ao Antsirabe

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny CSB II miisa 4, ao Antsirabe, izay afaka hositrahin’ny olona maherin’ny 200 000 amin’ireo kaominina misy ny fotodrafitrasa. CSB ao Ambohimanarivo, Tsi­va­trinikamo, Ex-CSS ary Atsi­nanantsena ireo notokanana tamin’ny fomba ofisialy. Nanentana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, nanotrona ny fitokanana, fa tokony ho ny rehetra […]