Velom-panantenana ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa hisy fandraisana ho mpiasam-panjakana miisa 9 000 amin’ny taona ho avy. Hojerena manokana koa ireo mpampianatra Fram. Nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta tamin’ireo solombavambahoaka, tetsy Tsimbazaza, no nilazan’ ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, izay nisolo tena […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nitsidika an’i Manakara, ny herinandro teo, ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nanolotra fitaovana hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny faritra. Kodiarandroa miisa 100 ho an’ireo lehiben’ny CSB, “groupe électrogène” ho an’ny hopitaly “CHRR Manakara” ary fiara tsy mataho-dalana ho an’ ny talem-paritry ny fahasalamana. […]
Radio Oasis : Tsangam-baton’ny faha-25 taona ny Studio vaovao
25 taona ny radio Oasis Tana ary nomarihina ny faran’ ny herinandro lasa teo, teny Soamanandrariny, ny fanakatonana ny fankalazana. Radio miankina amin’ny fiangonana advantista ny radio Oasis ary mivoy ny ara-panahy, ara-tsaina sy ara-batana ary ara-piarahamonina. Ny fandaharana vokarina rehetra sy ny fanentanana samihafa dia mifandraika amin’ireo avokoa. Tanjon’ny […]
Fampiananarana ambony : Nijery ny fametrahana « panneaux solaires »
Nijery ifotony ny fizotry ny asa fametrahana “panneaux solaires” avy amin’ny fitondram-panjakana tao amin’ny oniversiten’i Toliara ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy tamin’ity herinandro ity, nandritra ny fandalovany ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hanamafisana ny fahaleovantenan’ny oniversite amin’ny lafiny […]
Fampananana asa : Niara-namaha olana ny minisitera sy ny orinasa
Nanao atrikasa tetsy Anosy, omaly, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, notarihin’ny minisitra Florent Soatiana Bety Leonne sy ireo solontenan’ny vondron’orinasa. Nambaran’ny minisitra fa natao izao atrikasa izao hahafahana mandeha any amin’ny fanavaozana sy hametrahana ny laharam-pahamehana, amin’ ny alalan’ny fampanana asa. « Miaraka hatrany ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. […]




