Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Manoloana ny valanaretina Mpox, efa miasa ireo Centre de traitement et d’isolement (CTI) miisa dimy eto Analamanga ary efa mandray an-tanana maimaimpoana ireo marary. Misy koa ireo tranga ahina izay ahiboka hiarovana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina mandra-piandry ny valin’ny fitiliana. Eny amin’ny hopitaly Andohatapenaka, Itaosy, Anosiavaratra, Bongatsara ary Anosiala no […]

Fitantanana loza : Zava-dehibe ny fampielezana ny fanairana mialoha

Hifarana anio ny atrikasa nasionaly momba ny fampielezana ny fanairana mialoha amin’ny alalan’ny finday nokarakarain’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) nanomboka ny 19 janoary lasa teo. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetipanorona maneran-tany “Early Warnings for All (EW4All)”, izany ka andry fahatelo ny mifantoka amin’ny […]

Ady amin’ny Mpox : 450 000 dolara avy amin’ny amerikanina

Nanome fanampiana mitentina 450 000 dolara ny governemanta amerikanina entina hanohanana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina Mpox. Efa nanomboka tamin’ny volana desambra 2025 ny asa mifandraika amin’izany. Maro ny asa ampiasana ity fanampiana ity. Anisan’izany ny fanamafisana ny fanadihadiana ifotony, ny fiatrehana ny valanaretina any amin’ny faritra Boeny […]

Randrianasolo Rivoarison, filohan’ny oniversite : “Hatao vaindohan-draharaha ny fametrahana ny fitoniana”

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison, sy ireo tomponandraikitra ambony eny Ankatso. Nisy koa ny fandraisana ny fotodrafitrasa nohavaozina, toy ny Amphi ao amin’ny sampam-piofanana momba ny Siansa. Nambarany amin’ny an­kapobeny ny lalantsaina hanatanterahana ny asa, araka ny andraikitra tandrify ny tsirairay, mifototra amin’ny fanatsarana ny […]

INDRAY MIJERY

Ewetse no anaran’ilay rivodoza niditra ao Itam­polo, Ampanihy, omaly tolakandro. Nihena ny heriny ka vinavinaina ho levona an-tanety. Mitondra rotsakorana mitohy amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny rahona miaraka aminy. Iangaviana ny mponina voakasika mba ho mailo satria mety hiteraka ranotrambo sy/na fiaka­ran’ny renirano izany. Ho fanamafisana ny ady amin’ny […]