Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Madagascar Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana mahakasika ny robotika. Fifaninana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics […]
Fiaraha-monina
Ady amin’ny herisetra: 25 mianadahy nahazo fiofanana
Mpisehatra amin’ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy miisa 25 mianadahy no niofana nandritra ny 3 andro, tao Antsiranana. Fotoana nahafahana nandalina karazana hevitra maro sy rafi-dalàna mifandray amin’ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ny fiofanana. Natolotra tamin’izany ireo fitaovana enti-miasa hisorohana ireo karazana herisetra. Ny delegasion’ny […]
Fiomanana ny mety hisian’ny ranobe: namolavola hafatra iraisana ny mpiantsehatra
Maro ny mpiantsehatra misahana ny maha olona rehefa ao anatin’ny hamehana manoloana ny loza sy ny tandindon-doza, toy ny ranobe vokatry ny rotsakorana. Zava-dehibe ny asa fiomanana mialoha, hampihenana ny vokatry ny loza amin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny fihariany. Volavolaina mialoha ny hafatra hoentina eny amin’ny mpiantsehatra rehetra ho an’ny […]
Fiahiana sosialy Tsimbina: tokantrano 657 000 hahazo vola 250 000 Ar avy
Manao ezaka ny fanjakana mitondra vahaolana ho an’ny fianakaviana tena sahirana manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharanasa fiahiana sosialy Tsimbina. Tanjon’ny tetikasa ny hanohanana tokantrano marefo ara-pivelomana hanalefahana ny vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hitazomana ny […]
Ho an’ny faritra 14: hitombo ny rotsakorana amin’ity volana ity
Ho an’ity volana ity, vinavinaina hifanaraka na hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsakorana ho azo ho an’ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa (tapany avaratra), Sofia (sisiny avaratra), Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana (tapany avaratra), Ihorombe (tapany atsinanana), Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy (tapany atsimo), Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania sy Vakinankaratra […]