Nandritra ny famaranana ny Herinandron’ny asa sosialy tetsy Mahamasina, ny zoma teo, no niantsehatra nizara traikefa tamin’ireo tanora ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Rafaralahy Lucie. Naneho ny lalantsaina tokony hananana, torohevitra sy fanohanana ireo tanora mahakasika ny fihariana. Tsara ny sehatra fihariana manana loharanom-bola samihafa ary manohana […]
Fiaraha-monina
Fampianarana: Hiova indray ireo datim-panadinam-panjakana
Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana vaovao nasiam-panitsiana. Iarahan’ny minisitera maromaro sy ny sekoly tsy miankina ny fanitsiana izany. Miaiky ny fahadisoana sy ny fitarazohana amin’ny fandraisana andraikitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ilay tetiandro diso nivoaka sy niparitaka niteraka resabe ny herinandro teo. Nambaran’ny tomponandraikitra fa olona tao amin’ny minisitera, […]
Oniversiten’i Madagasikara : Hanomboka ny 13 marsa ny taom-pianarana
Notanterahina tamin’ity herinandro ity, teny Fiadanana sy nampitain-davitra, ny Conférence des présidents des universités (CPU) voalohany ho an’ity taona ity. Niarahan’ ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, tamin’ireo filohan’ny oniversite manerana ny Nosy, ireo tale jeneralin’ny IST telo ary ireo filohan’ny oniversitem-paritra izany. […]
Hopitaly Ambohimiandra: Nahazo efitrano vaovao ny sampana mitsabo ny zaza
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny efitrano vaovao hitsaboana ny zazakely etsy amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza Ambohimiandra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Miahy Jovenna izay tanterahin’ny Fondation Axian no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny handraisana an-tanana azy ireo […]
INDRAY MIJERY
Nanamafy ny fiaraha-miasa efa misy ny Repoblikan’i Korea sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nilaza ny hanome solosaina ho an’ireo oniversite manerana ny Nosy ny Koreanina. Noresahina koa ny hanapariahana ny Information Access Center toy ny efa misy eny amin’ny ESPA Vontovorona. Nisy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo […]





