Fiaraha-monina

Mpianatra sy ny Croua : Henjan-droa ny tady

Mitondra fanazavana ny tomponandraikitry ny fandrin­drana ny trano fonenan’ny mpianatra (Croua) eny Ankatso manoloana ny korontana niafara tamin’ny fanakatonana birao. Ny alarobia teo no nampiantso ireo mpianatra tsy ara-dalàna ny tomponandraikitra. Nanakorontana ny mpianatra, ka niezaka nifanazava tamin’ izy ireo ny tomponandraikitra, saingy henjan-droa ny tady. Nitaona namana ireo mpianatra, […]

Secom : « Avereno ny fahazoan-dalana mamily fiara, taratasy”

Mitaraina ny mpitantana sekoly fianarana mamily fiarakodia eto Madagasikara, mivondrona ao amin’ny Secom. Efa nitondra ny hetahetany teny anivon’ny minisitera roa voakasika izy ireo. Mangataka ny hamerenana ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia vita amin’ny baoritra toy ny teo aloha ny Syndi­cat des écoles de conduite de Madagascar (Secom), araka ny […]

Mpilaravinahitra iharan’ny herisetra: Nofanina ireo mpandray an-tanana

Naharitra roa andro ny fiofanana mahakasika ny fihainoana sy ny fandraisana an-tanana ny mpiasa nifindra mo­nina niharan’ny herisetra ka niverina an-tanindrazana, natao teny Anosy, tamin’ity he­­rinandro ity. Anisan’ireo tena iharan’izany sy fantatry ny maro ireo vehivavy mpilaravinahitra any amin’ny tany arabo toy ny any Koweit. Misy very saina tanteraka mihitsy […]

Fikaonandoham-pirenena kristianina: Fotoana handraisan’ny mpino an-tanana ny firenena

Hotanterahina ny 19 novambra ka hatramin’ny 21 novambra ho avy izao ny fikaonandoham-pirenena kristianina voalohany, eny amin’ny ISTS katolika Mandrimena, Iavoloha, karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Madagasikara. Fotoana ireo hanasana ny kristianina te hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fanarenana ny firenena, haharitra hateloana. Na anaty […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny ivontoeram-pampiofanana, LTP sy CFP Ampasampito, ny minisitry ny Fampianarana tek­nika sy ny fanofanana arakasa. Nidina ifotony nijery ireo efitrano fiofanana amin’ny sehatry ny Ouvrage métallique, informatique ary imprimerie. Mitana andraikitra lehibe amin’ny fananganana firenena matanjaka sy mandroso ireo ivontoeram-panofanana satria ao no hanomanana tanora ho olon-kendry, mahay ary […]