Notanterahina tetsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny faran’ny herinandro teo, ny “Salon d’orientation professionnelle pour les germanophones”. Hetsika nokarakarain’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM). Tanjona ny hanampiana sy hanomezana torohevitra ireo ankizy sy tanora malagasy maniry hiasa sy hanohy fianarana any Allemagne. Mahakasika ny dingana rehetra atao amin’ny fianarana ny fiteny allemand […]
Fiaraha-monina
Bakalorea 2024: 17 041 ny mpiadina tsy miankina amin’ny sekoly
Herinandro mialoha ny fanadinana bakalorea, mbola misy sekoly manome fizarana samihafa hatramin’ny zoma izao hanamasahana ny fahalalana. 218 359 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2024, araka ny fampitaom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. 207 097 ny mpiadina amin’ny sokajy fampianarana ankapobeny, raha 11 262 ny sampana teknika […]
Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro : nanokanana vola 2,5 miliara Ar ny Albatross
Iray amin’ireo firenena dimy misitraka ny tetikasa Albatross aty amin’ny faritra Afrika atsimon’i Sahara i Madagasikara, miaraka amin’i Kenya, Afrika Atsimo, Tanzanie ary Ghana. Hanafainganana ny fahafaha-miatrik’ireo firenena ireo ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tetikasa ary vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola. Fantatra taorian’ny fanadihadiana lalina natao momba ny fahasarotana hita amin’ny fiovaovan’ny […]
INDRAY MIJERY
Nanao tatitry ny asany teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fampianarana garabola, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney iray. Ankoatra ny fizarany ny fomba fampianarana, nisy ny fiofanana natao ho an’ireo mpampianatra. Niara-niasa tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra koa izy mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanabeazana ny ankizy. Taorian’ny faritr’i […]
BEPC Cisco Toamasina I : afaka ny zandriny sy ny zokiny indrindra
Amin’ny ankapobeny, niakatra ny taham-pahafahana fanadinana BEPC taona 2024 ho an’ny Cisco Toamasina I, araka ny fanazavana azo. Nahatratra 62,36% ny tahan’ny mpianatra tafita soa aman-tsara ka nahazo ny mari-pahaizana BEPC. Mpiadina 5 072 no tonga nanatrika fanadinana, raha 5375 kosa ny voasoratra anarana. 303 ireo mpiadina voasoratra anarana tsy […]